Seha-pihariana ronono : 120 tapitrisa litatra isan-taona monja no vokatra eto Madagasikara
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany 5 jona 2026, teny Antaninarenina, ny Andron’ny Ronono. Nandritra izany no nanamafisan’ireo tompon’andraikitra fa mbola tsy ampy ny vokatra ronono eto Madagasikara. Tombanana ho 120 tapitrisa litatra isan-taona ny famokarana ankehitriny, raha mila mahatratra 160 tapitrisa litatra izany mba hahafahana mamaly ny filàn’ny mponina.
7 litatra isan’olona isan-taona no ronono lanin’ny Malagasy
Nisongadina, nandritra ny fanokafana ny Andron’ny Ronono, fa mbola lavitra ny lalana tokony halehan’ny seha-pihariana ronono eto Madagasikara, na efa miroso tsikelikely aza. Na dia anisan’ny sakafo feno sy manankarena otrikaina aza ny ronono, dia mbola ambany ny fanjifana azy eto amintsika. Tombanana ho fito litatra isan’olona isan-taona monja mantsy ny ronono lanin’ny Malagasy. Mifandray amin’izany ihany koa ny fahakelezan’ny vokatra. Araka ny nambaran’ireo tompon’andraikitra, 120 tapitrisa litatra isan-taona ny ronono vokarina eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Kendrena anefa ny hampiakatra izany ho 160 tapitrisa litatra isan-taona mba hahafahana mamatsy bebe kokoa ny tsena anatiny sy mampitombo ny fisitrahan’ny mponina ity sakafo manankarena otrikaina ity.
Ny tetikasa PROFI-Lait+, ao anatin'ny fandaharan'asa AFAFI Centre 2, vatsian'ny Vondrona Eoropeanina vola, ary tanterahan'ny Malagasy Dairy Board (MDB), no mikarakara ity hetsika ity. « Ronono mahavelona ny rehetra » no lohahevitra voizina mandritra izany.
Fanatsarana ny famokarana ronono sy ny taranaky ny biby
Nambaran’ny minisitry ny Fiompiana, Andrianomenjanahary Riana Nantenaina, izay nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika, fa ilaina ny fanamorana ny fahazoana akora fototra sy ny fanohanana ireo mpiompy, mba hampitomboana ny vokatra. Tafiditra ao anatin’izany ny fanatsarana ny taranaky ny biby mpamokatra ronono. Efa misy, hoy izy, ny ezaka atao any amin’ny Faritra Atsimo, amin’ny fampiroboroboana ny ronono avy amin’ny osy. Nisy ny andrana fampanarahana amin’ny fomba artifisialy ny osy gasy sy ireo osy mpamokatra ronono, izay nahitana vokatra tsara. Vinavinaina haparitaka manerana ny Nosy izany, ao anatin’ny fiaraha-miasan’ny Minisiteran’ny Fiompiana sy ny Malagasy Dairy Board. Eo ihany koa ny fanatsarana ny taranaky ny omby fangalana ronono.
Tanjona ny hampiroborobo ny fihariana ronono manerana ny faritra rehetra eto Madagasikara sy hampitombo ny tahan’ny fanjifana ronono ary ireo vokatra azo avy aminy, Araka ny fanazavan’ny filohan’ny filàn-kevi-pitantanan’ny MDB, Rabemananjara Safidy Nantenaina. Ankoatra ny fanatsarana ny fahasalaman’ny mponina mantsy dia mitondra tombontsoa ara-toekarena ihany koa ny fivelaran’ity sehatra ity. Rehefa mitombo ny famokarana sy ny fanodinana ronono dia misondrotra ny fidiram-bolan’ny mpiompy, mivelatra ny toekarena eny ambanivohitra ary mihamafy ny fahavitan-tena ara-tsakafon’ny firenena. Nofaranana tamin’ny don-kaopin-dronono ityy lanonam-panokafana androany ity.




