Ririnina 2026 : Tsy hamirifiry loatra ny hatsiaka eto Madagasikara, hoy ny « Météo »
Miditra tsikelikely ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina i Madagasikara. Raha efa tsapan’ny mponina amin’ny faritra maro ny fidinan’ny mari-pana amin’ny maraina sy hariva, dia nilaza kosa ny Foibe Famantarana ny Toetry ny Andro fa mety halefaka kokoa noho ny mahazatra ny ririnina amin’ity taona 2026 ity.
Hafana kokoa ny andro, amin’ny ankapobeny
Efa manomboka miseho ny toetr’andro mampiavaka ny ririnina manerana ny Nosy : mihamangatsiaka ny maraina sy ny alina, indrindra any amin’ny afovoan-tany, ka maro no efa namoaka ny akanjo mafana. Any amin’ny morontsiraka kosa dia mbola somary malefaka ny mari-pana, na dia efa tsapa tsikelikely aza ny fiovan’ny toetr’andro. Araka ny vinavinan’ny Foibe Famantarana ny Toetry ny Andro, ho an’ny volana jona ka hatramin’ny aogositra 2026, dia tsy hangatsiaka loatra noho ny mahazatra ny vanim-potoanan’ny ririnina amin’ity taona ity. Vinavinaina hijanona ho ambony kokoa ny mari-pana, amin’ny maraina sy amin’ny antoandro, raha oharina amin’ny salanisan’ny ririnina mahazatra.
Midika izany fa mety ho vitsy kokoa ireo andro hahatsapana hatsiaka mamirifiry, indrindra any amin’ny faritra izay matetika tena mangatsiaka mandritra ny ririnina. Na dia mbola hisy aza ny maraina mangatsiaka, dia hevrina fa somary hafana kokoa ny andro amin’ny ankapobeny.
Ilaina ny fitandremam-pahasalamana
Raha ny rotsak’orana kosa dia tsy hisy loatra ny fiovana goavana any amin’ny ankamaroan’ny faritra eto Madagasikara, raha ny vinavina. Ny morontsiraka atsinanana no mety hahitana fahasamihafana miavaka kokoa, noho izy isan’ireo faritra mahazo orana mandritra ny vanim-potoanan’ny ririnina.
Na dia heverina ho malefaka kokoa aza anefa ny hatsiaka amin’ity taona ity, dia mampahatsiahy ny mpamantatra ny toetr’andro fa ilaina hatrany ny fitandremam-pahasalamana. Anisan’ny soso-kevitra ny fanaovana akanjo mafana amin’ny maraina sy hariva, ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana sy voalanjalanja, ary ny fikarakarana manokana ny ankizy, ny zokiolona ary ireo olona marefo. Tsara ihany koa ny mamela rivotra hifamezivezy ao an-trano sy misoroka ny fiovan’ny mari-pana tampoka, izay mety hampitombo ny aretin’ny taovam-pisefoana fahita mandritra ny ririnina.




