• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Hcc
Image
Vaovao

Fanambaran’ny HCC : Arovan’ny lalàm-panorenana ireo mpikambana ao aminy, amin’ny fanehoan-keviny

02/06/2026 15:26 © Moov.Mg

Namoaka fanambarana, androany 2 jona 2026, ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) manoloana ny resabe nateraky ny fikasana hanenjika ara-pitsarana mpikambana efatra ao aminy. Nohamafisin’ity andrim-panjakana ity fa arovan’ny andininy faha-108 ao amin’ny Lalàmpanorenana ny fahalalahana maneho hevitra sy mifampidinika, eo amin’ireo mpikambana, mandritra ny fandinihana raharaha, ka tsy azo atao fototry ny fanenjehana ara-pitsarana izany.

Fahaleovantenan’ny fitsarana

Tao anatin’ny fanambarana navoakany dia nampahatsiahy ny HCC fa mahaleo tena tanteraka ny mpitsara, amin’ny fanatanterahana ny asam-pitsarana sahaniny. Araka ny voalazan’ny andininy faha-108 ao amin’ny Lalàmpanorenana, ny Lalàmpanorenana sy ny lalàna ihany no mifehy azy ireo, ary tsy azo tohintohinina noho ny asa fitsarana ataony izy ireo, afa-tsy amin’ireo tranga voafaritry ny lalàna. Nambaran’ny HCC fa isan’ny fototry ny fahaleovantenan’ny fitsarana ny fisian’ny fifampidinihana sy adihevitra malalaka eo amin’ireo mpikambana, mandritra ny fandinihana raharaha iray. Voarakitra ao anatin’ny tsiambaratelon’ny fandinihana raharaha ireo fifanakalozan-kevitra ireo, ka tsy tokony hisy hilaza ho mahalala ny votoatin’izany, na hampahafantatra izany ampahibemaso.

Araka ny fanazavana nataon’ny HCC dia malalaka ny mpikambana tsirairay maneho ny heviny momba ny fahazoana mandray fitoriana iray na tsia, ary koa momba ny votoatin’ny raharaha dinihina. Io fahalalahana eo amin’ny adihevitra sy ny famoahana hevitra io indrindra no arovan’ny Lalàmpanorenana.

Zava-dehibe ny fisaraham-pahefana

Notsindrian’ny HCC fa tsy azo enjehina ara-pitsarana, na amin’ny heloka tsotra na amin’ny heloka bevava, ny mpikambana iray ao aminy, noho ny hevitra nambarany nandritra ny fandinihana raharaha iray. Araka ny fanambarana, io fiarovana io dia antoka napetraka hiarovana ny fahaleovantenan’ny mpitsara sy ny fahafahany manatanteraka ny asany tsy misy tsindry avy any ivelany. Namafisin’ity andrim-panjakana ity ihany koa fa mahaleo tena ny HCC, araka ny andininy faha-40 ao amin’ny Lalàmpanorenana, ary anisan’ny foto-kevitra fototra ao amin’ny Tany tan-dalàna ny fisaraham-pahefana.

Raha tsiahivina dia nanambara ny minisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Ernaivo, omaly, fa hanasonia didy fanenjehana mahakasika mpikambana ao amin’ny HCC, izay voalaza fa nandika lalàna. Araka ny fanazavany dia nisy tamin’izy ireo no nikasa hankatoa fitarainana heverina ho tsy ara-dalàna, napetraky ny solombavambahoaka iray. Ho setrin’izany ity fanambarana navoakan’ny avy eo anivon’ny HCC ity, izay manindry fa fanitsakitsahana goavana ny fahaleovantenan’ny andrim-panjakana sy ny fisaraham-pahefana ny fanenjehana mpanolotsaina avo, noho ny asa sy ny hevitra nentiny nandritra ny fandinihana raharaha. Na izany aza, namafisin’ny HCC fa azo enjehina ara-pitsarana kosa ny mpikambana ao aminy, raha misy heloka tsotra na heloka bevava mety ho nataony, araka ny voalazan’ny andininy faha-133 sy faha-134 ao amin’ny Lalàmpanorenana.

Lire la suite

Articles Similaires