• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Enfance Et Partage
Image
Reny&Zaza

Ireo fihetsiky ny zaza mety hampanahy ny ray aman-dreny nefa zavatra ara-dalàna

29/05/2026 16:20 © Moov.Mg

Fanaon’ny ray aman-dreny, indrindra ireo tera-bao, ny mandinika sy mijery akaiky ny zanany kely. Indraindray dia feno fanahiana vao mahatsikaritra fihetsika iray hafahafa, endrika tsy fahita na fahazarana miverimberina ataon’ny zazakely. Marihana nefa fa maro amin’ireo fihetsika ataon’ity farany no ara-dalàna tanteraka ary ampahany amin’ny fitomboany sy ny fivoarany. Araho eto àry ny santionany amin’izany.

Mitsamboatra tampoka rehefa matory

Isan’ireo fihetsiky ny zazakely ara-dalàna nefa mety hampanahy ny ray aman-dreny ny mitsamboatra tampoka rehefa matory. Izany hoe matory tsara ilay zaza dia tampoka eo manetsika mafy ny tanany na ny tongony, toy ny hoe mitsamboatra. Izany no antsoina hoe « réflexe de Moro ». Mahazatra be amin’ny zaza vao teraka izy io ary matetika afaka ho azy rehefa manodidina ny 3 ka hatramin’ny 6 volana. Mety avy amin’ny feo, fihetsika na indraindray tsy misy antony mazava moa izany. Raha miverina tony ny zaza aorian’izay dia tsy mampanahy izany matetika.

Mitomany be amin’ny hariva nefa tsy hita izay antony

Maro ny zazakely mora tezitra na mitomany kokoa rehefa hariva. Na dia voky, madio ary tsy marary àry izy dia mety mbola sarotra ampitoniana ihany, hany ka lasa mitaintaina ny ray aman-dreny. Fihetsika mahazatra sy ara-dalàna ihany izany mandritra ny volana voalohan’ny zaza. Mety avy amin’ny havizanana nandritra ny tontolo andro, zavatra maro hitany sy reny, na koa noho ny filàna fihina sy fampiononana bebe kokoa.

Variana sy mibanjina toerana iray fotsiny

Indraindray ny zazakely dia toa mijery toerana iray tsy mihetsika mandritra ny segondra vitsivitsy. Mety hahagaga na hampitaintaina izany, nefa matetika dia fombany mijery sy mandinika. Ny zazakely dia mianatra foana ny tontolo manodidina azy : hazavana, aloka, tarehy, fihetsika… Indraindray izy mety liana na variana be amin’ny zavatra heverintsika ho tsotra sy tsy dia misy dikany.

Manao tarehy ratsy na mamoaka lela

Mety hanakombona orona, hanokatra vava, hamoaka lela na hanao endrika samihafa miverimberina ny zazakely. Fihetsika ara-dalàna ary tsy tokony misy mampanahy izany. Mianatra mifehy ny tarehiny, ny vavany ary ny lelany izy. Indraindray koa izy maka tahaka ny endrika hitany amin’ny ray aman-dreniny.

Tsakoahana matetika

Zavatra mahazatra amin’ny zazakely ny tsakoahana. Indraindray aza mbola ao am-bohoka izy dia efa mitranga izany. Vokatry ny fihenjanan’ny « diaphragme » tsy niniana no mahatonga ny tsakoahana eo amin’ny zaza. Matetika izy io mitranga rehefa feno ny vavoniny ka manindry an’io hozatra io, na koa rehefa nitelina rivotra izy mandritra ny fisakafoana. Ara-dalàna ny tsakoahana matetika eo amin’ny zazakely ary mandray anjara amin’ny fivoaran’ny « muscles respiratoires » ao aminy izany.

Rahoviana no tokony manatona mpitsabo?

Na dia ara-dalàna aza ny fihetsika maro ataon’ny zazakely dia misy ihany ireo toe-javatra tsara hanatonana mpitsabo, ohatra raha:
-sahirana miaina ny zazakely,
-tsy te-hihinana tampoka,
-sarotra fohazina,
-mitomany tsy mitsahatra sady tsy mety tony,

mahatsikaritra zavatra tsy mahazatra.

Zava-dehibe ihany koa ny fihainoan’ny ray aman-dreny ny fahatsapany. Raha misy mampisalasala dia tsara foana ny manatona mpitsabo.

Lire la suite

Articles Similaires