Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo : EPP miisa 18 no hisitraka ny tetikasa FSRP ao Vakinankaratra
Sekoly ambaratonga fototra miisa 18 ao amin’ny Faritra Vakinankaratra no hisitraka ny fandaharanasa FSRP momba ny fampisakafoana an-tsekoly. Io tetikasa io izay tafiditra ao anatin’ny ezaka hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy hanatsarana ny fari-piainan’ny ankizy eny ifotony.
Komity hiandraikitra ny fanaraha-maso ny fampisakafoana
Mitohy ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny fametrahana paikady maharitra hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara. Anisan’ny tetikasa entina manatanteraka izany ny FSRP na “Food System Resilience Program”, izay eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fahaleovantena ara-tsakafo, miaraka amin’ny fiaraha-miasan’ny PAM sy ny famatsiam-bolan’ny Banky Iraisam-pirenena.
Efa taom-pianarana roa nisesy izay no nanatanterahan’ny FSRP ny fampisakafoana an-tsekoly amin’ny alalan’ny famatsiana avy eny ifotony, tao amin’ny Faritra Vakinankaratra. Ho fanamafisana ny fanaraha-maso sy ny fandrindrana ny asa dia notanterahina, vao haingana, ny fivoriana fampahafantarana ireo komity handrindra sy hanara-maso ny tetikasa ao an-toerana.
Ramatoa Ravaonirina Nathalie Sébastienne, Lehiben’ny Faritra Vakinankaratra, no mitarika ny komity, ahitana an-dRamatoa Prefet an’Antsirabe sy ireo tompon’andraikitra avy amin’ireo sampan-draharaham-panjakana voakasika.
Ankizy 4 000 eo ho eo no hisitraka ny tetikasa
Tao amin’ny efitrano MultiFonction Ivotika no nanatanterahana ny fivoriana, nandritra izany no nanazavana ireo andraikitra miandry ny komity sy nanaovana dinika mikasika ny fomba hanatanterahana ny asa eny ifotony.
Nankahery ireo mpandray anjara ny Lehiben’ny Faritra mba hiasa amim-pirahalahiana sy hampiray hina ny ezaka rehetra hahazoana vokatra tsara sy maharitra. Nomarihiny fa anisan’ny fototry ny fampandrosoana ny fanatsarana ny sakafo sy ny fahasalaman’ny ankizy any an-tsekoly.
Ho an’ny Faritra Vakinankaratra manokana dia miisa 4 000 eo ho eo no hisitraka ny fandaharanasa fampisakafoana, ka mpianatra sy olona manodidina ireo sekoly 18 ireo izany. Tanjon’ny fivoriana natao ny hanorina rafitra mazava sy maharitra hahafahan’ny tetikasa mitohy sy mamaly ny filan’ny mponina eny ifotony.




