• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Orientation
Image
Fahasalamana&Sakafo

Inona no mahatonga ny fanaintainana sasany ho mafy kokoa rehefa amin’ny alina ?

21/05/2026 11:06 © Moov.Mg

Maro amintsika no mahatsikaritra fa misy karazana fanaintainana sasany mihamafy kokoa rehefa amin’ny alina. Mety izany ho fanaintainan’ny lamosina, tongotra, vanin-taolana, vavony, aretina andoha... Indraindray izy ireny toa vao mainka manaintaina mafy rehefa miala sasatra ny vatana. ‘Ndeha ho fantarina eto ireo antony mety mahatonga ny fanaintainana sasany ho mafy kokoa rehefa matory amin’ny alina.

Mora mahatsapa fanaintainana kokoa ny vatana rehefa alina

Betsaka ny zavatra ifantohan’ny saina mandritra ny tontolo andro : asa, resaka sy raharaha isan-karazany. Izany no mahatonga ny fanaintainana madinika tsy dia tsikaritra loatra. Rehefa alina miala sasatra sy mangingina iny amin’izay dia mifantoka kokoa amin’ny vatana ny olona. Eo vao mahatsapa ny fanaintainana izay efa tao nandritra ny andro fa tsy tsikaritra.

Misy toerana fatoriana mety mampitombo fanaintainana

Ny fomba fatoriana na fandriana tsy mety ihany koa dia mety hampitombo fanaintainana, indrindra amin’ny: lamosina, hatoka, soroka, tongotra, na tonon-taolana. Ny kidoro ratsy kalitao na ondana tsy mety ihany koa dia mety hiteraka tsindry amin’ny faritra sasany amin’ny vatana. Ankoatra izay, ny tsy fihetsehan’ny vatana ela mandritra ny torimaso dia mety hitarika fienjanan’ny hozatra sy fanaintainana.

Mety hihamafy ny « inflammation » ao anaty vatana rehefa amin’ny alina

Ny vatana dia manaraka gadona voajanahary atao hoe « rythme biologique ». Amin’ny alina dia mety hiasa bebe kokoa ny « mécanisme » sasany mifandray amin’ny « inflammation » ao anaty vatana. Izany no mahatonga ny olona sasany manana aretin’ny tonon-taolana na « maladie inflammatoire » hahatsapa manaintaina kokoa rehefa amin’ny alina na rehefa mifoha maraina.

Misy ifandraisany amin’ny fivezivezen’ny ra

Ny fanaintainana sasany amin’ny alina dia mety vokatry ny tsy fahatomombanan’ny fivezivezen’ny ra. Anisan’izany ohatra ny « jambes lourdes », « crampes abdominales » amin’ny alina, volivoly na mangotsingotsika ao amin’ny tongotra. Mety hampitombo ny fahatsapana izany ny havizanana, ny tsy fahampian’ny fihetsehana, tsy fahampiana rano na ny tsy fahampian-tsakafo sasany.

Mety hampitombo fanaintainana ny rarin-tsaina sy tebiteby

Misy fiantraikany lehibe amin’ny vatana ny rarintsaina maharitra. Ny fihenjanan’ny hozatra niangona nandritra ny tontolo andro dia mety ho tsapa kokoa amin’ny alina. Ny tebiteby ihany koa dia mety hahatonga ny ati-doha ho mora mandray fanaintainana kokoa ary hanelingelina ny torimaso. Matetika ny olona be rarintsaina dia mahatsapa: fanaintainan’ny hozatra, fihenjanan’ny hatoka, aretin’andoha, na fanaintainana amin’ny tratra vokatry ny tebiteby.

Misy aretina sasany amin’ny alina vao tena misy fanaintainana

Indraindray dia mety misy ifandraisany amin’ny olana ara-pahasalamana mila fitandremana ny fanaintainana amin’ny alina vao tena miseho. Mety izany ho fambaran’aretin’ny tonon-taolana, olana amin’ny vavony, fanaintainana avy amin’ny hozatra, « infection » na olana ara-pahasalamana hafa. Tsy tokony atao ambanin-javatra ny fanaintainana miverimberina izay mampifoha matetika amin’ny alina, indrindra raha miaraka amin’ny :
-havizanana tafahoatra,
-fihenan-danja tsy fantatra antony,
-tazo,
-fahasemporana,
-na fivontosana hafahafa amin’ny vatana.

Fahazarana tsotra mety hanampy

Misy zavatra tsotra afaka manampy hampihenana ny fanaintainana amin’ny alina:
-fanitsiana ny toerana fatoriana,
-fampiasana kidoro mety,
-fisorohana sakafo mavesatra amin’ny hariva,
-fisotroana rano ampy,
-fanaovana fanazaran-tena malefaka,
-fampihenana rarintsaina alohan’ny hatory.

Lire la suite

Articles Similaires