• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Hellowork
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo famantarana miafina maneho « surmenage » eo amin’ny raim-pianakaviana

18/05/2026 15:28 © Moov.Mg

Matetika resahana ny mikasika ny havizanana ara-tsaina mahazo ny renim-pianakaviana. Maro ihany koa nefa ny raim-pianakaviana miaina faharerahana ara-tsaina lalina nefa tsy miresaka momba izany. Ny fahafantarana mialoha ireo fambaran’ny « surmenage » eo amin’ny raim-pianakaviana dia manampy hisorohana ny fahasimban’ny fahasalamana sy ny olana amin’ny fiainam-pianakaviana.

Inona no mety mahatonga ny « surmenage » eo amin’ny raim-piainakaviana ?

Ny « surmenage » eo amin’ny raim-pianakaviana dia fahatsapana harerahana lalina (ara-tsaina, ara-batana sy ara-toe-po) vokatry ny rarintsaina maharitra aterak’ireo andraikitra maro mitambesabatra aminy. Mitranga izany rehefa mahatsiaro ho tsy mahavita ny zavatra endrasan’ny ankohonany aminy ny raim-pianakaviana.
Amin’ny ankapobeny dia ny fitambesaran’ireo andraikitra zavatra maro eo amin’ny fiainana andavanandron’ny raim-pianakaviana no mety mitarika ny « surmenage ». Ny asa, ny fitadiavam-bola, ny andraikitra ao an-trano, ny fitaizana ny ankizy sy ireo olana samihafa isan’andro dia mety hahatonga azy ho reraka tsikelikely nefa tsy tsapany.
Tsy voatery hiseho amin’ny fomba mibaribary foana ny « surmenage » na ny havizanana tafahoatra. Matetika aza dia famantarana madinidinika sy miandalana no miseho voalohany, ka anisan’izany ireto manaraka ireto.

Havizanana tsy mety miala

Anisan’ny famantarana voalohany maneho « surmenage » eo amin’ny raim-pianakaviana ny fahatsapana reraka foana. Na efa natory aza na koa niala sasatra tamin’ny faran’ny herinandro dia mbola mahatsiaro vizana sy tsy manana hery izy.
Misy raim-pianakaviana mieritreritra hoe vokatry ny asa mafy na ny fahanterana fotsiny izany, kanefa indraindray dia efa famantarana avy amin’ny vatana sy ny saina noho ny adin-tsaina maharitra sy ny vesatra be loatra.

Lasa mora tezitra sy sorena

Rehefa reraka ara-tsaina ny olona iray dia lasa mora sorena kokoa. Zavatra madinika ao an-trano izay tsy nampaninona taloha dia mety hahatezitra tampoka : tabataban’ny ankizy, fitohanan’ny fifamoivozana, olana madinika ao an-trano na fangatahana miverimberina.
Ny raim-pianakaviana tony sy malefaka taloha dia mety ho lasa mitabataba na tsy manam-paharetana intsony noho ny harerahana lalina ao anatiny.

Te hitokana irery matetika

Misy ny raim-pianakaviana lasa tia mangina sy mitokana rehefa reraka loatra. Rehefa avy miasa izy dia aleony mipetraka irery, tsy te hiresaka firy na mandany fotoana ela amin’ny finday, Facebook na fijerena fahitalavitra.
Indraindray ny fianakaviana mety hihevitra fa tsy miraharaha intsony izy, nefa matetika dia famantarana faharerahana ara-tsaina izany. Mitady fomba hampihenana tabataba sy zavatra mampiasa saina fotsiny ny atidohany.

Fanaintainana miseho matetika amin’ny vatana

Matetika ny vatana no maneho izay tsy lazain’ny saina. Mety hiseho ny aretin’andoha, fanaintainana amin’ny hatoka sy lamosina, fahasarotana amin’ny fandevonan-kanina na fahatsapana mavesatra eo amin’ny tratra rehefa be loatra ny adin-tsaina.
Maro no tsy miraharaha izany satria heveriny ho havizanana tsotra, kanefa mety ho famantarana mazava amin’ny « surmenage » izy ireny.

Mihena ny fahazotoana amin’ny zavatra andavanandro

Rehefa reraka tafahoatra ny olona dia mety tsy hahita hafaliana amin’ireo zavatra tiany taloha intsony. Mihena ny fahavitrihana sy ny fahalianana amin’ny asa, ny tetikasa na ny fiainam-pianakaviana.
Na dia fotoana iarahana amin’ny vady aman-janaka aza dia mety hahatsapa faharerahana sy tsy fahazotoana ilay olona satria efa tototry ny havizanana ara-tsaina.

Olana amin’ny torimaso

Na reraka aza, maro amin’ireo olona tratran’ny « surmenage » no mbola sarotra mahita tory. Mety hifoha matetika amin’ny alina, hieritreritra be momba ny vola, ny asa na ny olana ao an-trano, hany ka reraka indray rehefa mifoha maraina.
Ny adin-tsaina maharitra dia mampitandrina foana ny atidoha ka manelingelina ny torimaso sy ny fitsaharana.

Tsy firaharahiana ny fahasalamana

Rehefa be loatra ny andraikitra dia misy lehilahy tsy manam-potoana hikarakara ny tenany intsony. Mety hanemotra fitsaboana, hisakafo tsy ara-potoana, hisotro kafe be loatra na hifoka sigara kokoa mba hahazaka ny havizanana.
Rehefa maharitra nefa izany dia mety vao mainka hanimba ny fahasalamana sy hampitombo ny faharerahana.

Lire la suite

Articles Similaires