Te hihinana na hisotro zavatra mamy tampoka: inona no mety ho antony?
Misy fotoana ianao ilay miasa tsara iny no tampoka eo dia hihinana na hisotro zavatra mamy. Fahita amin’ny olona maro izany faniriana zavatra mamy tampoka izany, ary tsy fitiavana mamy fotsiny no anton’izany. Indraindray ny vatantsika sy ny atidohantsika dia mandefa famantarana manosika antsika hitady siramamy. Efa noresahana ombieny nefa fa manimba ny fahasalamana ny siramamy be loatra. Mba handanjalanjana izany àry dia andeha ho fantarina ireo antony mahatonga antsika mitady zavatra mamy tampoka.
Ny siramamy: loharanon-kery haingana ho an’ny atidoha
Ny “glucose” no loharanon-kery lehibe ampiasain’ny atidoha. Rehefa mahatsapa tsy fahampian-kery ny vatana, toy ny rehefa ela tsy nisakafo, reraka be na avy nanao ezaka ara-batana, dia mety hiteraka faniriana sakafo mamy izany mba hahazoana angovo haingana.
Ny olana anefa dia matetika mampiakatra tampoka ny tahan’ny siramamy ao anaty ra ny sakafo mamy be, ary avy eo dia midina tampoka indray izany. Vokany : afaka ora vitsivitsy dia miverina indray ny fitadiavana zavatra mamy.
Misy fiantraikany lehibe amin’ny fitadiavana zavatra mamy ny rarintsaina
Rehefa mitebiteby na sahirana ara-tsaina isika dia mamokatra “cortisol” betsaka kokoa ny vatana. Io hormonina io dia mampitombo ny fahazotoan-komana ary manosika antsika hitady sakafo mamy sy matavy.
Ny siramamy mantsy dia mampitombo ny famokarana “dopamine”, izay mifandray amin’ny fahatsapana fahafinaretana sy valisoa ao amin’ny atidoha. Mandritra ny fotoana fohy dia manome fahatsapana fiadanam-po izy io. Izany no mahatonga olona maro haniry “gâteau”, “chocolat” na “glace” rehefa avy nandalo andro sarotra.
Mampitombo ny filàna zava-mamy ny tsy fahampian-tory
Rehefa tsy ampy torimaso dia mikorontana ny hormonina mifehy ny hanoanana : mitombo ny “ghréline” (mampitombo fahazotoan-komana) ary mihena ny “leptine” (manome fahafaham-po rehefa voky).
Noho izany, rehefa tsy ampy torimaso dia mitady sakafo manome angovo haingana kokoa ny atidoha, indrindra ireo sakafo mamy sy efa voahodina be.
Misy fiantraikany ihany koa ny fahazarana ara-tsakafo
Arakaraka ny fahazarantsika mihinana siramamy no vao mainka itiavan’ny vatana azy. Ny zava-pisotro mamy, “desserts” indostrialy ary tsakitsaky voahodina dia mahatonga ny saina hampifandray ny siramamy amin’ny “fahafinaretana haingana”.
Rehefa ahena tsikelikely kosa ny siramamy dia matetika mihena ihany koa ny faniriana zavatra mamy rehefa afaka herinandro vitsivitsy.
Ny fihetseham-po ihany koa dia mety hiteraka faniriana mamy
Ny fahatezerana, alahelo, tebiteby na fahatsapana ho manirery dia mety hiteraka ny atao hoe “hanoanana ara-pihetseham-po”. Amin’izay fotoana izay dia tsy tena noana ny vatana, fa mitady fampiononana fotsiny. Anisan’ny amantarana azy rehefa :
-tampoka be ny faniriana,
-sakafo iray manokana no tena tadiavina,
-mbola maniry ihany na dia efa avy nisakafo aza.
Mety avy amin’ny tsy fahampian-tsakafo ihany koa
Indraindray ny faniriana mamy matetika dia mety mifandray amin’ireto :
-sakafo tsy mahavoky tsara,
-tsy fahampian’ny “protéines” na “fibres”,
-sakafo tsy voalanjalanja,
-na indraindray tsy fahampian-tsakafo sasany.
Na izany aza, amin’ny ankamaroan’ny fotoana dia ny fomba fiaina, ny rarintsaina ary ny fahazarana ara-tsakafo no tena mahatonga azy.
Ahoana no atao hampihenana ny faniriana zavatra mamy ?
Ireto misy torohevitra tsotra sy mahomby :
-Mihinana sakafo voalanjalanja. Ny “protéines”, “fibres” ary tavy tsara dia manampy hitazona ny tahan’ny siramamy ao anaty ra tsy hiova tampoka.
-Tsy miandry ela loatra vao misakafo. Ny tsy fihinanana sakafo ela loatra dia matetika mahatonga filàna mamy be amin’ny hariva.
-Matory tsara.Ny torimaso ampy dia manampy amin’ny fandrindrana ny fahazotoan-komana.
-Mitady fomba hafa hiatrehana ny rarintsaina.Fanatanjahantena, fialamboly, fitsangatsanganana na fanazaran-tena miaina lalina dia afaka manampy.
-Ahena tsikelikely ny siramamy. Matetika mora kokoa ny mampihena miandalana toy izay manapaka tampoka.
Tokony hampanahy ve ireo faniriana mamy ireo ?
Ara-dalàna tanteraka ny faniriana zavatra mamy indraindray. Raha toa kosa ka lasa matetika loatra, sarotra fehezina na miaraka amin’ny havizanana be dia tsara ny manatona mpitsabo mba hijerena raha misy olana ara-pahasalamana miafina.




