Aretina tsy fahita firy : ny tsara fantatra mikasika ny « progéria »
Ny « progéria » dia aretina « génétique » tsy fahita firy mahatonga ny vatana hihantitra haingana loatra. Ny ankizy tratran’ity aretina ity dia hisehoan’ireo famantarana hita amin’ny olona antitra : mihintsana ny volo, mihamanify sy miketrona ny hoditra, marary ny tonon-taolana, ary miadana ny fitomboany. Na dia mbola ankizy aza ireo marary dia mety hitranga aminy ny olana ara-batana fahita amin’ny olona efa antitra. Araho eto ny tsara fantatra mikasika ny aretina « progéria »
Inona marina ny aretina « progéria » ?
Ny « progéria », antsoina ihany koa hoe « syndrome de Hutchinson-Gilford », dia aretina ara-pototarazo vokatry ny fiovan’ny « gène LMNA ». Io fiovana io no mahatonga proteinina tsy ara-dalàna antsoina hoe “progérine” hivoaka ao amin’ny sela, ka mampahalemy sy mampantitra haingana ny sela ao amin’ny vatana.
Tsy toy ny fahanterana mahazatra izay mitranga miadana mandritra ny taona maro ny « progéria » fa mampandeha haingana be ny fahanteran’ny vatana hatramin’ny fahazazana. Matetika moa dia tsy misy soritr’aretina hita eo am-piterahana. Eo anelanelan’ny 6 volana sy 2 taona vao manomboka miseho tsikelikely ny famantarana.
Ireo soritr’aretin’ny aretina « progéria »
Anisan’ireo soritr’aretina mahazatra hita amin’ny marary tratran’ny « progéria » ny hoe :
-Miadana ny fitomboana, izany hoe tsy dia mitombo sy tsy dia matavy ny zaza na dia mihinana ara-dalàna aza.
-Fiovana eo amin’ny endrika ivelan’ilay zaza, toy ny fihintsanan’ny volo sy volomaso, hoditra manify sy miketrona, tarehy lava sy orona maranitra, maso mibontsina, fihenan’ny tavy ao ambanin’ny hoditra.
-Olana amin’ny tonon-taolana. Lasa mihamafy sy marary ny tonon-taolana ka mety hanasarotra ny fivezivezena.
-Fahasimban’ny fo sy lalan-drà izay isan’ny loza lehibe indrindra. Ny ankizy tratran’ny « progéria » dia mety hanana fahasimban’ny lalan-drà sy aretim-po mitovy amin’ny olona efa antitra.
Misy fitsaboana ve ny aretina « progéria »?
Taloha dia tsy mbola nisy fitsaboana manokana ho an’ny « progéria ». Ankehitriny kosa dia efa misy fanafody afaka mampiadana ny fivoaran’ny aretina sy manatsara ny fiainan’ny ankizy tratran’izany. Anisan’ny fitsaboana ny:
-fanaraha-maso tsy tapaka ny fo sy lalan-drà ;
-« kinésithérapie » ;
-sakafo voalanjalanja ;
-fanafody manampy amin’ny fiarovana ny sela.
Na dia mbola aretina sarotra aza izy io dia efa misy fanantenana vaovao vokatry ny fandrosoan’ny fikarohana ara-pitsaboana.
Nahoana no ilaina ny fampahafantarana ?
Mbola vitsy no mahalala ny momba ny aretina tsy fahita firy toy ny « progéria ». Ny fampahafantarana azy ireny dia manampy :
-hampihena ny fanilikilihana ;
-hanohana ny fikarohana ;
-hanampy ny fianakaviana voakasika ;
-hahafahana mamantatra haingana kokoa ny aretina.




