• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Wwf Madagascar
Image
Vaovao

Amoron’i Onilahy : Haparitaka ny fambolena « pili-pili » hanampiana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana

19/05/2026 14:04 © Moov

Mponina maro manodidina ny faritra arovana Amoron’i Onilahy ao Tameantsoa no miroso amin’ny fambolena pili-pili, izay karazana sakay, ho fanatsarana ny fivelomana. Ezahin’izy ireo hampiroboroboana ihany koa izany ho fampihenana ny tsindry mahazo ny harena voajanahary any atsimo andrefan’i Madagasikara.

Vahaolana vaovao ho an’ny mponina eny ifotony

Anisan’ireo faritra manan-danja amin’ny fiarovana ny zavamananaina ao amin’ny Mahafaly ny faritra arovana Amoron’i Onilahy. Voasokajy ho “paysage harmonieux” sokajy faha-5 araka ny fenitra IUCN izy io ary mitana anjara toerana lehibe amin’ny fiarovana ny ala sy ny tontolo voajanahary iankinan’ny fiainan’ny mponina manodidina.
Ao Tameantsoa sy ireo fokontany manodidina toa an’i Bemoka, Boro ary Laniry, dia miroso amin’ny fambolena pili-pili ireo ny mponina. Fikambanana dimy, izay ny vehivavy no maro an’isa, no tena mandray anjara mivantana amin’izany. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa efa niomanana nandritra ny herintaona sy tapany mahery izany, ka nahafahana nandrindra ireo mpamokatra sy namaritra velaran-tany fambolena mirefy 5,12 hektara.
Ho fanatanterahana ny tetikasa dia nozaraina tamin’ireo fikambanana ireo ny masomboly pili-pili milanja 2.529 grama. Efa zatra tamin’ny fambolena anana sy fanatsarana tsiron-tsakafo samihafa ireo vehivavy mpikambana, ka mora tamin’izy ireo ny nandray ity voly vaovao ity. Ankoatra ny fikarakarana tsotra dia afaka mamokatra mandritra ny taona maro ny pili-pili ary azo jinjaina isaky ny telo volana.

Fambolena manampy ny tokantrano sy ny tontolo iainana

Araka ny fanazavan-dRamatoa Naina, filohan’ny fikambanana Miray Hina, « manome fanantenana lehibe ho an’ny fianakaviana ny fambolena pili-pili satria efa misy mpividy azo antoka ary tsara kokoa ny vidiny raha oharina amin’ireo voly hafa. »
Nambaran’i Fanalolahy Germond, teknisianina ao amin’ny WWF Mahafaly, ihany koa, fa tsy maintsy hatsaraina ny fari-piainan’ny mponina vao hahomby tanteraka ny fiarovana ny tontolo iainana. Ao anatin’izany dia tokantrano miisa 114 no misitraka mivantana ity tetikasa ity, ary tombanana hahatratra 23,7 tapitrisa Ariary isan-taona ny vola miditra azo avy aminy.

Lire la suite

Articles Similaires