• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Téane
Image
Reny&Zaza

Fahazarana mety hampitombo ny havizanana amin’ny bevohoka

13/05/2026 15:29 © Moov.Mg

Miasa mafy kokoa noho ny mahazatra ny vatana mandritra ny fitondrana vohoka. Na dia miezaka miala sasatra aza ny vehivavy bevohoka dia misy fahazarana sasany amin’ny andavanandro, izay tsy dia tsikaritra loatra, mety hampitombo ny havizanana. Miova ny hormonina, mitombo ny lanjan’ny zaza ao an-kibo ary mety hikorontana koa ny torimaso, ka ilaina ny manitsy kely ny fomba fiaina. Ireto àry misy fahazarana mahazatra mety hahatonga ny bevohoka ho reraka kokoa ka mila ialana.

Matory amin’ny ora tsy voalamina

Mila torimaso milamina sy ampy kokoa ny vatana mandritra ny fitondrana vohoka. Ny fatoriana tara loatra, ny fiovan’ny ora fatoriana matetika na ny fijerena finday ela alohan’ny hatory dia mety hanakorontana ny torimaso. Na dia mety ho sahirana aza ny bevohoka sasany mahita « positions » fatoriana mampahazo aina dia tena manampy betsaka amin’ny fampihenana ny havizanana mandritra ny tontolo andro ny fananana ora fatoriana raikitra.

Tsy misakafo ara-potoana

Misy vehivavy bevohoka tsy dia mazoto homana noho ny maloiloy na ny rarintsaina. Kanefa, rehefa tsy misakafo ela dia mety hidina be ny hery ao amin’ny vatana. Mila otrikaina ihany koa ny zaza ao an-kibo ka maka avy amin’ny tahirin’ny reny. Ny fihinanana sakafo voalanjalanja sy sakafo maivana mahasalama mandritra ny andro dia afaka manampy hitazonana tsara kokoa ny hery.

Tsy misotro rano ampy

Mety hampitombo ny havizanana, ny aretin’andoha ary ny fahalemena ny tsy fahampian-drano mandritra ny vohoka. Maro ny vehivavy no manadino misotro rano ampy, indrindra rehefa sahirana na rehefa mafana ny andro. Ny fisotroana rano matetika dia manampy ny vatana hiasa tsara kokoa ary mety hampihena ihany koa ireo tsy fahazoana aina sasany mandritra ny fitondrana vohoka.

Mijoro na miasa ela loatra

Ny fanaovana raharaha be loatra, ny fandehanana ela na ny fijoroana mandritra ny ora maro dia mety hahareraka haingana ny vehivavy bevohoka. Efa miasa mafy rahateo ny vatana mba hanohanana ny fitomboan’ny zaza. Rehefa mitohy izany dia mety hiteraka fanaintainan-damosina, tongotra mavesatra na fivontosana ihany koa.

Te hanao irery ny zava-drehetra

Misy vehivavy bevohoka mbola misahana andraikitra maro na dia efa reraka aza. Indraindray izy ireo menatra na misalasala mangataka fanampiana ao an-trano na any am-piasana. Ny fanaovana zavatra be loatra nefa dia mety hampitombo ny havizanana ara-batana sy ara-tsaina. Ny fianarana mampihena ny asa sy manaiky fanampiana dia mety hitondra fiovana lehibe.

Mandany fotoana be amin’ny efijery

Ny fijerena finday, tambajotra sosialy na « série » hatramin’ny alina dia mety hanakorontana ny torimaso sy hitarika havizanana kokoa eo amin’ny bevohoka. Ny fijerena efijery ela alohan’ny hatory dia mety hanasarotra ny fahazoana torimaso sy hampihena ny kalitaon’ny fitsaharana.

Tsy manao fampihetsiketseham-batana maivana

Misy vehivavy bevohoka mihevitra fa tokony tsy hampiasa vatana mihintsy mba tsy ho reraka. Ny tsy fihetsiketsehana mihitsy nefa dia mety hampitombo ny havizanana sy ny fanaintainan’ny vatana. Ny fanetsiketseham-batana maivana mifanaraka amin’ny vohoka, toy ny mandeha tongotra na manao fanazarantena malefaka, dia afaka manampy amin’ny fivezivezen’ny ra sy ny fahatsapana ho salama kokoa.

Adin-tsaina be isan’andro

Ny ahiahy momba ny vohoka, ny fiterahana na ny olana ara-bola dia mety hanavesatra saina sy handreraka be. Ny adin-tsaina maharitra dia mamizaka ny vatana ary mety hanakorontana ny torimaso ihany koa. Ny fakàna fotoana hialana sasatra, ny firesahana amin’olona atokisana na ny fiezahana mampitony tena dia afaka manampy amin’ny fitantanana izany.

Lire la suite

Articles Similaires