• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Happy-Ish
Image
Fahalalana Ankapobeny

Manafina fihetseham-po matetika : inona no mety ho fiantraikany ?

12/05/2026 13:42 © Moov.Mg

Anatin’ny fiarahamonina maro, anisan’izany isika Malagasy, dia matetika heverina ho fahalemena ny mampiseho fihetseham-po. Noho izany dia maro ny olona mianatra manafina alahelo, hatezerana, tahotra, eny na dia hafaliana aza, mba hiseho ho matanjaka sy matotra eo imason’ny hafa. Mety hisy vokany lalina nefa ny fitazonana sy fanafenana matetika ny fihetseham-po. Araho eto ny andinindininy mikasik’izany.

Manafina fihetseham-po matetika : mampisy rarintsaina

Mitaky ezaka ara-tsaina lehibe ny fanafenana lava ny fihetseham-po. Rehefa tsy maneho izay tsapany ny olona iray dia mety hiaina foana anatin’ny tebiteby sy « tension intérieur ». Rehefa maharitra izany dia mety hiteraka rarintsaina mitaiza na « stress chronique ». Izany dia mety hiseho amin’ny :
-havizanana tsy mety miala ;
-tsy fahitan-tory ;
-fahasarotana mifantoka ;
-fahasorenana matetika ;
-aretin’andoha na fanaintainan’ny hozatra.
Misy aza olona sasany tsy mahafantatra intsony izay tena fihetseham-pony satria efa zatra manery sy manafina izany hatry ny ela.

Misy fiantraikany mivantana amin’ny fahasalamana ara-tsaina

Ny fanafenana na fanerana fihetseham-po maharitra dia mety hampitombo ny mety hisian’ny tebiteby sy fahaketrahana. Rehefa mitahiry ny zava-drehetra ao anatiny ny olona iray dia mety hahatsapa manirery lalina, na dia eo aza ny olona manodidina azy.
Ny fihetseham-po tsy avoaka dia mety hiteraka :
-eritreritra ratsy miverimberina ;
-tsy fahatokisan-tena ;
-fahatsapana fahabangana ;
-fahatsapana tafahoatra amin’ny zavatra madinika ;
-fipoahan’ny hatezerana tampoka rehefa be loatra ny zavatra voatahiry.
Indraindray, ny olona jerena ho milamina ety ivelany no tena miaina fijaliana lalina ao anatiny.

Indraindray mandefa fanehoana ny vatana

Mety hiseho amin’ny vatana ihany koa ny fihetseham-po afenina na tazomina. Antsoina hoe “somatisation” izany amin’ny teny ara-pahasalamana. Midika izany fa ny vatana no maneho ireo zavatra tsy voavoakan’ny saina sy ny fo.
Anisan’ny mety hiseho ny :
-fanaintainan’ny kibo ;
-olana amin’ny fandevonan-kanina ;
-fidoboky ny fo malaky be (palpitations) ;
-fanaintainan’ny lamosina na tratra ;
-havizanana tsy mazava antony ;
-fahalemen’ny hery fiarovan’ny vatana.
Na dia mety hisy antony hafa aza ireo soritr’aretina ireo, dia matetika ny rarintsaina sy ny vesatra ara-pihetseham-po no isan’ny mahatonga azy.

Manasarotra ny fifandraisana amin’ny hafa

Ny olona izay manafina fihetseham-po mandrakariva dia mety ho sahirana mifandray am-pahatsoarana amin’ny olona manodidina azy. Mety heverin’ny hafa ho miavona, tia mitokatokana…
Rehefa maharitra izany dia mety hiteraka :
-tsy fifankahazoana ;
-olana eo amin’ny mpivady ;
-fahasarotana mangataka fanampiana ;
-tahotra mampiseho fahalemena.
Ny fanehoana fihetseham-po amin’ny fomba ara-dalàna kosa dia manampy betsaka amin’ny fifampitokisana sy fifankahazoana.

Inona no antony mahatonga ny olona iray manafina ny fihetseham-pony ?

Maro ny antony mety mahatonga izany :
-fanabeazana henjana izay tsy nankasitraka ny fanehoana fihetseham-po ;
-tahotra ny fitsaran’ny olona ;
-ratram-po na traikefa ratsy taloha ;
-faniriana hiseho ho matanjaka ;
-tontolo iainana mampiady saina ao an-trano na any am-piasana.
Misy olona efa zatra “mitahiry ny zava-drehetra ao anatiny” hatramin’ny fahazazany.

Ahoana no hianarana maneho fihetseham-po amin’ny fomba tsara ?

Ny fanehoana fihetseham-po akory tsy midika hoe tezitra be foana na mitomany lalandava vao misy zavatra tsy mety amin’ny tena. Ny tena zava-dehibe dia ny mianatra mamantatra izay tsapa sy mahay maneho izany amin’ny fomba voalanjalanja.
Ireto misy torohevitra afaka manampy :
-miresaka amin’olona atokisana ;
-manoratra izay ao an-tsaina sy ao am-po ;
-manao fisaintsainana na fanazaran-tena mampitony ;
-manao fanatanjahantena na asa kanto ;
-manatona matihanina raha lasa mavesatra loatra ny fihetseham-po.

Lire la suite

Articles Similaires