Ireo fiovana ateraky ny « climatiseur » eo amin’ny fahasalamana
Fitaovana iray efa be mpampiasa eto amintsika ny « climatiseur », indrindra eny amin’ny toeram-piasana sy ny ireo trano fandraisam-bahiny lehibe. Matetika dia mampangatsiaka ny efitra misy azy izy io, fa misy ihany koa ireo karazany « réversibles » afaka manafana efitra. Ny fanontaniana mipetraka dia hoe : tsy misy ahiana amin’ny fahasalamana ve ny « climatiseur » ? Araho eto ny tsara fantatra mikasik’izany.
Ny vokatra tsara ateraky ny fampiasana « climatiseur » eo amin’ny fahasalamana
Tsy mampahazo aina fotsiny ihany ny fampisana « climatiseur » ao amin’ny efitra mafana na mangatsiaka be loatra. Misy ihany koa ireo vokatsoa ho an’ny fahasalamana azo avy amin’izany :
Miaro amin’ny hafanana na hatsiaka tafahoatra
Ny hafanana be loatra dia mety hiteraka havizanana, tsy fahampian-drano ao amin’ny vatana, aretin’andoha na koa “coup de chaleur”. Ny hatsiaka tafahoatra dia mety hampanavy, hampihombo ny sery sy ny kohaka, hanasarotra ny fifantohana… Ho an’ny zokiolona, ny ankizy ary ireo olona manana aretina mitaiza dia mety hitarika fahasarotana ara-pahasalamana mihitsy aza izany.
Ny « climatiseur » dia manampy amin’ny fitazonana hafanana milamina ao an-trano ka mampihena ny loza ateraky ny hafanana na hatsiaka tafahoatra. Amin’ny fotoana tena mangatsiaka dia afaka manampy betsaka amin’ny fiarovana ny fahasalamana izy io.
Manatsara ny torimaso
Sarotra ny matory tsara rehefa mafana na mangatsiaka loatra ny efitrano. Ny « climatiseur » dia mampangatsiatsiaka na manafana ny rivotra ka manampy amin’ny fahazoana torimaso tsara sy milamina kokoa.
Saingy raha atao mangatsiaka tafahoatra kosa ny maripana amin’ny alina dia mety hiteraka tsy fahazoana aina sy fanaintainan’ny hozatra indray.
Manampy amin’ny fampihenana « allergies » sasany
Maro amin’ireo « climatiseurs » maoderina no manana « filtre » afaka misakana vovoka, « pollen » ary loto madinika eny amin’ny rivotra. Ho an’ny olona mora tratran’ny « allergie » dia mety tena ilaina izany, indrindra amin’ny vanim-potoana sasany.
Mila diovina matetika kosa nefa ireo filtres ireo satria mety vao mainka hanaparitaka ireo vovoka sy « allergènes » raha tsy voakarakara tsara.
Ny voka-dratsy mety hitranga
Misy ihany koa nefa ireo vokadratsy mety ateraky ny fampiasana « climatiseur » eo amin’ny fahasalamana :
Mahamaina ny rivotra
Raha mandeha tsy ankiato ny « climatiseur » dia mety ho maina loatra ny rivotra ao anaty efitra. Izany dia mety hiteraka :
-Fahamainan’ny tenda ;
-Fangidihidin’ny maso ;
-Fahamainan’ny hoditra ;
-« Irritations » ao amin’ny orona.
Misy amin’ny olona sasany mety mahatsiaro reraka na marary andoha rehefa mijanona ela ao anaty efitra tena mangatsiaka.
Fanaintainan’ny hozatra sy ny tonon-taolana
Raha mitsoka mivantana amin’ny vatana ny rivotra mangatsiaka dia mety hampihenjana ny hozatra, indrindra eo amin’ny hatoka, lamosina ary soroka. Betsaka ny olona no mahatsapa manaintaina amin’ny vatana rehefa mipetraka ela eo ambanin’ny « climatiseur » mandeha mafy loatra.
Loza ateraky ny tsy fikojakojana
Ny « climatiseur » tsy voadio tsara dia mety hanangona vovoka, holatra ary bakteria. Rehefa mandeha ilay fitaovana dia miparitaka eny amin’ny rivotra ireo loto ireo ka mety hiteraka :
-« allergie ;
-« irritations » amin’ny taovam-pisefoana ;
-kohaka ;
-fiharatsian’ny sohika.
Noho izany dia tena ilaina ny manadio « filtre » sy mikojakoja tsy tapaka ny climatiseur.
Ahoana no fampiasana « climatiseur » mba tsy hanimba ny fahasalamana ?
Mba hahazoana tombony amin’ny fampiasana « climatiseur » sy tsy hampisy voka-dratsy ara-pahasalamana dia misy fahazarana tsotra tokony harahina :
-tsy atao mangatsiaka tafahoatra ny maripana ;
-tsy atao be elanelany loatra ny hafanana anatiny sy ivelany ;
-diovina matetika ny « filtre » ;
-sakafana isan’andro ny varavarankely hampidirana rivotra vaovao ;
-tsy avela hitsoka mivantana amin’ny vatana ny rivotra ;
-misotro rano ampy.
Matetika ny manam-pahaizana dia manoro hafanana eo anelanelan’ny 24 hatramin’ny 26°C mba hahazoana aina nefa tsy manimba fahasalamana.




