• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medisite
Image
Fahalalana Ankapobeny

Mahatsiaro noana… nefa tsy tena noana akory : inona no mety ho antony?

07/05/2026 15:56 © Moov.Mg

Vao avy nisakafo ianao, ary nanao voky tsara. Afaka adiny iray monja nefa dia mahatsiaro te hihinan-javatra indray. Indraindray, mikaroka sakafo any an-dakozia nefa tsy hay mazava hoe inona no tena tadiavina. Mety hahatsapa ihany koa hoe misy banga ao an-kibo. Raha ny marina nefa tsy mila sakafo na angovo fanampiny intsony ny vatanao. Izany no atao hoe « hanoanana ara-pihetseham-po » na fahatsapana noana tsy tena avy amin’ny filàn’ny vatana.

Ny tena hanoanana: filàn’ny vatana

Ny hanoanana tena izy dia fomba fiasa voajanaharin’ny vatana. Miseho tsikelikely izy rehefa mila angovo ny vatana. Matetika dia miaraka amin’ireto famantarana ireto izany:
-mikorontana na maneno ny kibo ;
-mihena kely ny hery ;
-sarotra mifantoka ;
-mahatsapa ho banga ao an-kibo.
Rehefa misakafo ianao dia mihena izany fahatsapana izany ary mahatsiaro voky.
Saingy tsy avy amin’ny vatana avokoa ny faniriana hihinana rehetra.

Rehefa ny saina no mitady sakafo, fa tsy ny vavony

Ny rarintsaina, ny fahasorenana, ny havizanana na ny fihetseham-po samihafa dia mety hahatonga antsika te hihinana nefa tsy tena noana. Amin’izay fotoana izay, ny atidoha dia mitady fampiononana haingana, indrindra amin’ny sakafo mamy, matavy na masira. Izany no atao hoe « hanoanana ara-pihetseham-po ».
Tsy mitovy amin’ny hanoanana tena izy izy io satria:
-tonga tampoka ;
-sakafo iray manokana no tena tadiavina ;
-mbola te hihinana foana na dia avy nisakafo aza ;
-mety hiteraka fahatsapana henatra na nenina avy eo.
Tsy hoe tsy mahafehy tena ianao. Fanehoana ara-dalàna amin’ny maha olombelona izany manoloana ny fihetseham-po sy ny fahazarana andavanandro.

Ny tsy fahampian-tory sy ny hanoanana

Rehefa tsy ampy torimaso ny olona iray dia mikorontana ireo hormonina mifehy ny fahazotoan-komana. Mitombo ny “ghréline”, hormonina mampitombo hanoanana, ary mihena kosa ny “leptine”, izay mampahafantatra ny vatana hoe voky.
Vokany, mora noana kokoa izy ary te hihinana sakafo manome hery haingana. Na alina iray aza no tsy ampy torimaso dia mety hampitombo ny faniriana hihinan-javatra izany ny ampitso.

Ny siramamy mampitady siramamy indray

Ny sakafo tena mamy dia mampiakatra haingana ny tahan’ny siramamy ao anaty rà. Fa rehefa midina tampoka izany avy eo dia mety hahatonga fahatsapana noana indray, na dia efa ampy aza ny angovo ao amin’ny vatana. Izany no mahatonga ny tsakitsaky sasany hahavoky vetivety monja, dia avy eo mampiverina ny faniriana hihinana indray.

Ireo fahazarana tsy tsikaritra

Tian’ny atidoha ny fahazarana miverimberina, toy ny :
-mihinana rehefa mijery sarimehitsika na « série » ;
-mitsako zavatra rehefa miasa ;
-maka tsindrintsakafo izay “fahazarana fotsiny” ;
-mampifandray fotoana fialan-tsasatra sy sakafo.
Rehefa mandeha ny fotoana dia lasa misy toe-javatra sasany mampisy faniriana hihinana avy hatrany, na dia tsy tena noana aza.

Ahoana no ahafantarana raha tena noana sa te hihinana fotsiny?

Alohan’ny hihinanana dia mila manontany tena hoe:
-Raha sakafo tsotra ve no eo dia mbola hihinana ihany aho?
-Tonga tsikelikely ve ity hanoanana ity?
-Sakafo iray manokana ve no tena tadiaviko?
-Misy rarintsaina, havizanana na alahelo ve ao anatiko?
Indraindray, segondra vitsy hijerena ny tena fihetseham-po dia efa manampy hahatakatra izay tena ilain’ny vatana… na ny saina.

Lire la suite

Articles Similaires