• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Freepik
Image
Fahalalana Ankapobeny

Fomba tsara hitahirizana sakafo raha tsy misy vata fampangatsiahana

28/04/2026 13:10 © Moov.Mg

Maro amin’ny tokantrano Malagasy no tsy afaka mampiasa vata fampangatsiahana hitahirizana ny sakafo. Mety izany noho ny tsy fananana io fitaovana io, mety ihany koa vokatry ny fahatapahan’ny jiro lavareny. Zava-dehibe nefa ny fitahirizana tsara ny sakafo, indrindra ireo mora simba, mba hisorohana ny aretina mety aterak’izany. Ireto àry misy fomba tsotra sy voajanahary, efa nampiasaina hatrizay, ahafahana mitahiry ela kokoa ny sakafo sy ny otrikaina ao aminy.

Ireo fitsipika fototra amin’ny fitahirizana sakafo

Alohan’ny hiresahana ireo fomba mahomby hitahirizana ny sakafo tsy mampiasa vata fampangatsiahana dia tsara ny mahafantatra ireo zavatra mahatonga ny sakafo ho simba haingana :
-Hafanana
-Hamandoana
-Rivotra
-Mikraoba
Noho izany, ny tanjona dia ny mikaroka ireo fomba mandaitra hampihena ireo anton-javatra ireo.

Fomba mahomby hitahirizana sakafo

Fitahirizana amin’ny toerana mangatsiatsiaka sy maina

Misy sakafo sasany toy ny ovy, tongolo, tongolo gasy ary voatavo izay afaka tehirizina tsara amin’ny hafanan’ny efitra, raha apetraka amin’ny toerana :
-Misy rivotra mandeha tsara,
-Tsy tratran’ny hazavana mivantana,
-Maina.

Fampiasana rano

Afaka ampiasaina ny rano hitahirizana sakafo sasany. Anisan’izany ny :
Anana izay zavamaniry toy ny voninkazo ka azo atao anaty rano. Io fomba tsotra io no ahafahana mitahiry azy ela kokoa mba tsy ho mora maina na malazao.
Fakana legioma sasany dia azo tehirizina ao anaty fasika lena kely mba haharitra ela kokoa sy hitahiry ny otrikaina ao aminy.

Fanamainana

Fomba fitahirizana sakafo efa tranainy nefa tena mahomby ny fanamainana. Izany hoe atapy andro na avela ho maina eo amin’ny rivotra ny sakafo mba hiala ny hamandoana ao anatiny ka tsy ahafahan’ny bakteria mihombo.
Ohatra :
-Voankazo maina (akondro, manga, paoma)
-Trondro na hena (araka ny fomba nentim-paharazana)

Fanasiana sira

Ny sira dia akora voajanahary manana fiasa « conservateur » na mitahiry. Misintona rano izy ka manakana ny fitomboan’ny mikraoba ao anatin’ny sakafo. Anisan’ireo sakafo afaka tehirizina amin’ny fampiasana sira ny :
-Hena
-Trondro
Matetika ampiasaina any amin’ny faritra mafana ity fomba fitahirizana sakafo ity.

« Fermentation »

Ny « fermentation » dia fomba fitahirizana sakafo mahomby sady mampitombo ny otrikaina mahasoa ho an’ny vatana.
Ohatra :
-Laisoa ampangotrahina
-Legioma anaty rano misy sira
Fomba ara-pahasalamana sy mora vidy izy io.

Torohevitra azo ampiharina isan’andro

Maro ireo fitaovana azo ampiasaina amin’ny fitahirizana ny sakafo amin’ny rivotra sy ny bibikely. Anisan’izany ny « bocaux », tavoahangy mihidy tsara, harona vita amin’ny akora natoraly… Misy ihany koa etsy andanininy ireo torohevitra tsotra tsara ampiharina amin’ny andavanandro raha tsy misy vata fampangatsiahana :
-Tsy sasana mialoha ny voankazo sy legioma raha tsy mbola hohanina satria mampitombo ny fahasimbana ny hamandoana,
-Hoanina aloha ireo sakafo mora simba,
-Zaraina ho ampahany ny sakafo raha ilaina mba hisorohana ny ambin-tsakafo,
-Jerena matetika ny toetry ny sakafo. Raha atahorana ho simba dia ariana avy hatrany fa tsy hoanina intsony mba hisorohana ny aretina sy ny fanapoizinana ara-tsakafo mety ho aterak’izany.

Lire la suite

Articles Similaires