• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Min San
Image
Vaovao

Ady amin'ny valanaretina mpox : Maherin'ny 3.000 no isan'ny olona nanao vaksiny teto Analamanga

03/05/2026 10:27 © Moov.Mg

Mbola tsy mitsaha-mitombo ny tahan'ny trangan'aretina mpox vaovao voamarina manerana an'i Madagasikara. Hatramin’ny 30 aprily, araka ny tatitra ofisialy navoakan'ny ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka, dia miisa 1 305 ny trangana mpox voamarina manerana ny Nosy, hatramin’ny volana desambra no mankaty.

Boriborintany voalohany, nahitana tranga be indrindra

Maherin'ny 300 isa amin'ireo trangana mpox voamarina manerana an'i Madagasikara ireo no hita teto amin'ny Faritra Analamanga. Nahitana tranga betsaka indrindra ny distrikan'Antananarivo Renivohitra, Atsimondrano ary Avaradrano, araka ny fanazavan'ny Dr Rasolondraibe Hasina Nirina, talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka eto amin'ny Faritra Analamanga. Ho an'Antananarivo Renivohitra indray dia ny ao amin'ny Boriborintany voalohany no nahitana tranga be indrindra, ka isan'izany ny eny Isotry, 67 ha, sy Andohatapenaka.

Manoloana izany dia nanatanteraka hetsika fanentanana momba ny ady amin'ny mpox, teny amin'ny CSB II Isotry, ny alakamisy 30 aprily lasa teo, ny fikambanana tsy miankina ASOS, niaraka tamin'ny Sampandraharahan'ny Distrika momba ny Fahasalamam-bahoaka (SDSP) eto Antananarivo Renivohitra. Nandray anjara tamin’izany ihany koa ireo mpanentana ara-pahasalamana mpiara-miasa amin'ny ASOS sy ireo mpanao basket vehivavy "N1A Dame" avy amin’ny MB2ALL, izay mpilatsaka an-tsitrapo eo anivon'ny ASOS.

Fanaovam-baksiny : marisika ny eto amin'ny Faritra Analamanga

Natao indrindra izao hetsika izao mba hanentanana ny olona hisoroka ny mety hahazoana ny aretina mpox, sy mba handrisihana ny olona hanatona tobim-pahasalamana avy hatrany, raha vao misy tranga mampiahiahy. Fa satria tafiditra tao anatin'ny herinandro afrikanina ho an'ny fanaovam-baksiny ihany koa ny hetsika, dia nampiseho ohatra hita maso ny avy eo anivon'ny ASOS, araka ny fanazavan'ny Dr Rakotomalala Jean Claude, tale mpanatanterak'ity fikambanana tsy miankina ity. Araka izany, niroso tamin'ny fanaovam-baksiny ireo avy amin'ny ASOS, ireo mpanentana ara-pahasalamana sy ireo tanora mpanao basket.

Nambaran'ny Dr Rasolondraibe Hasina Nirina fa isan'ny marisika amin'ny fanaovam-baksiny ny eto amin'ny Faritra Analamanga. Maherin'ny 3 000 isa izao no efa vita vaksiny ary manatanteraka izany avokoa ny eny anivon'ny CSB rehetra. Manatona ny orinasa, ny ministera sy ny toeram-piasana isan-karazany ihany koa ireo mpitsabo, araka ny filàna, ary maimaim-poana tanteraka ny fanaovana izany vaksiny miady amin'ny mpox izany.

Fiarovana feno : vaksiny daozy roa

Notsindrian'ny Dr Rasolondraibe Hasina Nirina fa tena mandaitra, ho fisorohana ny valanaretina mpox, ny fanaovam-baksiny. "Toy ny vaksiny rehetra, mety misy tranga kely miseho rehefa avy manao azy, toy ny hidihidy sy ny fanaviana, saingy tsy misy atahorana izany", hoy izy. Nomarihiny fa ampy sy feno kokoa ny fiarovana, raha mahavita daozim-baksiny roa, izay atao mifanelanelana roa volana.

Afaka manao izany vaksiny miady amin'ny mpox izany avokoa ny olona rehetra manomboka eo amin'ny 12 taona no ho mihoatra, fa misy ireo olona amporisihina kokoa hanatanteraka izany, noho izy ireo marefo kokoa manoloana ny fiparitahan'ity aretina ity. Isan'izany ireo izay mitondra ny tsimokaretina VIH/SIDA, ireo mpampanofa vatana, ireo mpiasan'ny fahasalamana, ka tafiditra ao anatin'izany ireo mpanentana ara-pahasalamana miasa eny anivon'ny fiarahamonina eny. Isan'ny tokony hanao vaksiny ihany koa ireo olona izay nifanerasera tamin'ireo fantatra fa tratran'ny mpox.

Tsy hijanona eto Analamanga moa ny hetsika fanentanana tahaka izao, fa ho entin'ny ASOS any amin'ny Faritra hafa ihany koa, raha ny nambaran'ny Dr Rakotomalala Jean Claude.

Lire la suite

Articles Similaires