• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Parents
Image
Reny&Zaza

Zaza mandoa na mivalana : inona no tokony hatao avy hatrany ?

28/04/2026 15:41 © Moov.Mg

Mampanahy ny ray aman-dreny rehefa mandoa na mivalana ny zaza. Matetika ireo soritr’aretina ireo dia vokatry ny aretin-kibo na otrikaretina tsotra. Amin’ny ankamaroan’ny tranga dia azo tsaboina ao an-trano amin’ny fomba tsotra sy mahomby izany. Araho eto ny andinindininy tsara fantatra.

Laharam-pahamehana ny fisorohana ny tsy fahampian-drano

Ny tsy fahampian-drano na « déshydratation » no loza lehibe mila tandremana rehefa mandoa na mivalana ny zaza. Ny ankizy madinika no mora tratran’izany haingana kokoa. Ireto manaraka ireto no tokony atao avy hatrany raha mitranga ireo soritr’aretina ireo :
-Omena rano matetika, amin’ny fatra kely ny zaza mandoa na mivalana,
-Raha misy dia omena “solution de réhydratation orale (SRO)” na 1 sy 8,
-Raha tsy misy dia azo omena rano madio, ranom-boankazo malefaka, na ranom-bary.
Raha mbola mandoa ny zaza, dia omena amin’ireo rano voalaza ireo 1 sotro kely isaky ny 5 ka hatramin’ny 10 minitra.

Fanitsiana ny sakafony

Tsy ilaina ny manery ny zaza hihinana, indrindra amin’ny ora voalohany aorian’izy nandoa na nivalana. Rehefa miverina ny fahazotoan-komana dia :
-Omena sakafo mora levona : vary, akondro, « compote » paoma, karaoty,
-Tsy omena sakafo matavy, mamy loatra na masiaka,
-Tohizana ny fampinonoana na ny solon-dronono raha mbola misotro ronono izy.

Fanaraha-maso ireo famantarana mampidi-doza

Misy soritr’aretina sasany mila fitandremana manokana sy fitsaboana haingana raha mandoa na mivalana ny zaza :
-Malemy be na sarotra fohazina izy,
-Tsy mety misotro mihitsy,
-Mandoa tsy an-kijanona (avoakany daholo izay sotroiny),
-Fivalanana be loatra na misy rà,
-Tazo avo,
-Tsy mivalan-drano (maina ny taty lamba),
-Maso lalina, vava maina, mitomany nefa tsy misy ranomaso.
Tokony ho mailo kokoa raha zaza mbola kely (latsaky ny herintaona).

Fitandremana ny fahadiovana

Mora mifindra ny aretin-kibo. Ireto àry ny fitandremana tokony hatao :
-Manasa tanana matetika (ray aman-dreny sy zaza),
-Manadio tsara ny zavatra rehetra nampiasaina,
-Tsy mampiasa fitaovana iombonana (sotro, kaopy, sns.).

Tandremo ny fanafody

Fadiana ny manome fanafody tsy avy amin’ny torohevitry ny mpitsabo, indrindra ho an’ny zaza. Tsy voatery ilaina ny fanafody mampitsahatra mandoa na mivalana. Tsy ilaina matetika ny antibiotika raha tsy avy amin’ny dokotera.

Rahoviana no tokony hanatona dokotera ?

Tokony hanatona mpitsabo rehefa mandoa na mivalana ny zaza raha :
-Latsaky ny 6 volana izy,
-Mitohy mihoatra ny 2 na 3 andro ny aretina,
-Miseho ny tsy fahampian-drano,
-Misy mampisalasala na mampanahy ny toe-pahasalaman’ny zaza.

Lire la suite

Articles Similaires