SDIOI : Mpisehatra amin’ny vahaolana ara-teknolojia hatramin’ny 50 mivondrona ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina
Tanterahina, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, hatramin’ny alahady 26 aprily, izao, ny hetsika « Salon du Digital et de l’Innovation de l’Océan Indien (SDIOI) », andiany faharoa. Miisa maherin’ny 50 ireo mpandray anjara, amin’izany.
Vahaolana fanamorana fiainana
Tsy afa-miala amin’ny teknolojia, intsony ny fiainan’ny Malagasy, amin’izao fotoana izao. Mivoatra ihany koa izany ka manaraka izany fivoarana izany ny karazany ampiasaina. Ny antony moa dia hahafahana manamora hatrany hatrany ny fiainana. Izany antony izany indrindra no antom-pisian’ity hetsika SDIOI ity. Navondrona amin’ny toerana iray ireo mpisehatra isan-karazany amin’izany fanamorana fiainana izany. Ahitana ireo mpamokatra, ireo mpanafatra ary ireo mpivarotra izany.
Saika hita ao avokoa na fitaovana hahafahana mivezivezy, toy ny « moto electrique » sy ny « trotinnette electrique » na ireo fitaovana fampiasa amin’ny fiainana andavan’andro, toy ireo karazana finday maoderina, izay hatolotry ny orinasa Yas, izay mpanohana ny hetsika. Etsy ankilany dia ahitana ihany koa ireo karazana fitaovana fampiasana any an-tokantrano sy any amin’ny toeram-piasana ao. Izany rehetra izany dia mandeha amin’ny herin’ny masoandro, mba hialana amin’ny olan’ny jiro. Isan’ny mandray anjara ihany koa ireo mpamokatra rindram-baiko (application) isan-karazany. Tanjon’izany rehetra izany dia ny hanamora ny fiainan’ny olona, amin’ny ankapobeny mihitsy, amin’ny alalan’ny teknolojia isan-karazany.
Fanentanana samihafa
Ankoatra ireo tolotra ireo, dia isan’ny ho hitan’ny mpitsidika ihany koa ireo fanentanana maro samihafa. Isan’ny lehibe indrindra amin’izany ny « Espace gaming » ho an’ireo rehetra, na lahy na vavy, mpankafy ny « jeu vidéo ». Misy fifaninanana « tekken 8 », mandritra ireo telo andro ireo, ary hisy loka ho an’izay mandresy. Ho an’ireo izay te hanandrana fotsiny dia efa misy ny natokan’ny Mass’in ho azy ireo, ahitana « jeu vidéo » samihafa.
Ankoatra izay moa dia hisy ihany koa ny famelabelaran-kevitra mandritra ireo andro telo ireo hiaraka amin’ny fifaninanana « mini-hackathon ». Izany rehetra izany raha ny fanazavan’ny mpikaraka dia entina hampahafantarana ny fisian’ireo teknolojia maoderina sy ny fahafahana mampiasa azy eto Madagasikara.



