Fitaizana : ireo fahazarana tokony ampianarina ny zaza dieny mbola kely
Ny fahazazana dia fotoana fototra izay manan-danja indrindra amin’ny fananganana ny toetran’ny olona iray. Amin’io vanim-potoana io ny zaza no mora mandray lesona sy fahazarana, satria mbola malefaka ny sainy ary mora voaova. Noho izany, ny fanabeazana ara-pahazarana dieny mbola kely dia manampy betsaka amin’ny fanorenana olon-dehibe mahay miaina, manaja tena sy manaja hafa, ary mandray andraikitra. Ireto àry misy fahazarana lehibe tokony ampianarina ny zaza dieny mbola kely.
Fahadiovana sy fikarakarana tena
Ny fahadiovana dia fototra amin’ny fahasalamana. Dieny mbola kely ny zaza dia tokony ampianarina:
-hanasa tanana alohan’ny hisakafo sy aorian’ny fidiovana,
-hiborosy nify maraina sy hariva,
-handro tsy tapaka sy hitazona vatana madio,
-hikarakara ny fitafiany sy ny toerana iainany.
Rehefa zatra mitandro ny fahadiovana izy dia mihena ny « risques » ho voan’ny aretina ary mitombo ny fahatokisan-tenany.
Fahazarana ara-tsakafo ara-pahasalamana
Zava-dehibe ny fanabeazana ny zaza amin’ny fomba fihinanana:
-tsy mihinana maimaika na milalao rehefa misakafo,
-mihinana sakafo voalanjalanja (vary, legioma, voankazo, proteinina),
-misotro rano ampy,
-manaja ny fotoana fisakafoana.
Ireo dia manampy amin’ny fitomboany ara-batana sy ara-tsaina.
Fanajana sy fahalalam-pomba
Ny fahalalam-pomba dia toetra mampiavaka ny olona tsara fanahy sy tsara taiza. Mila ampianarina ny zaza:
-hampiasa teny toy ny “azafady”, “misaotra”, “azafady indrindra”,
-hanaja ray aman-dreny, mpampianatra ary zokiolona,
-tsy hiteny ratsy na hanevateva olona,
-hahay mihaino rehefa misy miteny aminy.
Ny fanajana dia fototra iorenan’ny fifandraisana tsara amin’ny fiaraha-monina.
Fahazarana mifandray sy miara-monina
Tokony hampianarina ny zaza ny fahaiza-miara-miaina:
-mizara kilalao sy zavatra ananany,
-miandry anjara sy tsy manapaka ny filaharana,
-miara-miasa amin’ny ankizy hafa,
-mahay mangataka fanampiana rehefa ilaina.
Izany dia mampivelatra ny toe-tsaina miabo sy ny fahaiza-miara-miasa.
Fitiavana fianarana sy fahalianana
Ny fanabeazana dia tsy ao an-dakilasy ihany. Tokony hambolena amin’ny zaza:
-ny fitiavana mamaky boky,
-ny fanontaniana sy fahalianana amin’ny zavatra vaovao,
-ny fahazarana manao devoara sy mandamina fotoana hianarana,
-ny fanajana ny mpampianatra sy ny sekoly.
Izany dia manampy amin’ny fampivelarana ny sainy sy ny fahaizany misaina.
Fifehezan-tena sy faharetana
Ny zaza dia mila mianatra mifehy ny fihetseham-pony:
-tsy mitomany na tezitra tsy amin’antony,
-mahay miandry sy mandefitra,
-manaiky rehefa misy “tsia”,
-miezaka mamaha olana amin’ny fomba milamina.
Io fahazarana io no manampy amin’ny fananganana toetra matotra sy voalanjalanja.
Fikarakarana ny tontolo iainana
Tokony hampianarina hitia sy hikarakara ny tontolo iainana ny ankizy:
-tsy manary fako eny rehetra eny,
-manampy amin’ny fanadiovana ny manodidina,
-manaja zavamaniry sy biby,
-mitsitsy rano sy herinaratra.
Izany dia mampivelatra azy ho olom-pirenena tompon’andraikitra.



