Atodin’ny papelika : vokatsoa sy mety ho vokadratsiny ho an’ny ankizy
Mihamaro ankehitriny ny ray aman-dreny mampiditra ny atodin’ny papelika na « œuf de caille » ao anatin’ny sakafo omena ny ankizy. Na dia kely azy ireny karazana atody ireny dia manankarena otrikaina ilaina amin’ny fitomboana. Fa tena mahasoa tokoa ve izy ireny ho an’ny ankizy ? Mety misy vokadratsiny ve ? Araho eto ny tsara fantatra.
Ny vokatsoa entin’ny atodin’ny papelika eo amin’ny ankizy
Malaza eto amintsika tokoa ny atodin’ny papelika na « œuf de caille » tao anatin’ny taona vitsy izay. Maro ny vokatsoa entin’izy ireny ho an’ny ankizy :
-Manampy amin’ny fitomboan’ny hozatra sy ny taova ary ny fiasan’ny vatana amin’ny ankapobeny noho izy manankarena « protéine » tsara kalitao.
-Manamafy ny hery fiarovan’ny vatana, manohana ny fitomboana ary mampivoatra ny atidoha noho izy ahitana vitamina A, B (indrindra B12) ary D.
-Manampy amin’ny fanorenana ny taolana sy fisorohana ny tsy fahampian-dra (anémie) noho izy ahitana mineraly ilaina toy ny « fer », « zinc » ary « phosphore ».
-Ankoatra izay dia mora levonina kokoa noho ny atodin’akoho izy io ho an’ny ankizy
Ny mety ho vokadratsiny sy ny fitandremana ilaina
Na dia maro aza ny tombontsoa entin’ny atodin’ny papelika eo amin’ny ankizy, dia misy ihany koa ireo mety ho vokadratsiny raha tsy mitandrina tsara :
-Mety hiteraka « allergie ». Toy ny atodin’akoho dia mety hiteraka « allergie » ihany koa izy io. Tsara raha ampidirina tsikelikely amin’ny sakafon’ny ankizy izy io fa tsy tonga dia omena betsaka na matetika loatra, indrindra ho an’ny ankizy madinika.
-Mety hitondra mikraoba (salmonella). Raha tsy masaka tsara na hanina manta dia mety hiteraka aretina. Mila andrahoina tsara alohan’ny hanomezana azy.
-Tsy tokony hohanina be loatra. Misy « cholestérol » ny atodin’ny papelika ka raha be loatra dia tsy tsara ho an’ny fahasalaman’ny zaza. 2 hatramin’ny 3 isan’andro dia efa ampy.



