• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Antenimierampirenena
Image
Vaovao

Antenimierampirenena : Lany ny lalàna momba ny fandraisana an-tsoratra ny fahaterahana sy ny biômetrika faobe

21/04/2026 17:08 © Moov.Mg

Nolanian’ireo Solombavambahoaka, rehefa nasiam-panitsiana sy nasiam-panovana, ny volavolan-dalàna laharana faha-023/2025 tamin'ny 08 desambra 2025. Ity lalàna ity dia miompana amin’ny fandraisana an-tsoratra manokana ny fahaterahana miaraka amin’ny hetsika fandraketana biômetrika faobe.

Fampisitrahana zo fototra

Nisongadina, nandritra ny fivoriana androany 21 aprily 2025, ny maha-zava-dehibe ny fananana famantarana manokana (identité légale) ho an'ny Malagasy rehetra. Nitarika izany fivoriana izany ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena ho an’ny Faritanin'i Fianarantsoa, Andrianjanahary Fanomezantsoa. Zo fototra voasoritra ao amin’ny Lalàmpanorenana ny fananana famantarana manokana ary mifanaraka tanteraka amin’ny Tanjona ho an’ny Fampandrosoana lovainjafy (ODD 16.9) napetraky ny Firenena Mikambana.

Mbola maro amin’ny Malagasy anefa no tsy manana kôpia nahaterahana. Sakana lehibe amin’ny fisitrahana zo fototra, toy ny fidirana an-tsekoly, ny fahazoana kara-panondrom-pirenena, ary ny fifandraisana amin’ny raharaham-panjakana izany. Ho famahana izany dia natsangana ity tetikasa fandraketana biômetrika faobe ity, izay ampiarahina amin’ny fampanarahan-dalàna ny fahaterahana ho an’ireo olom-pirenena feno 18 taona.

Fanamafisana ny fiizina ara-dalàna

Araka ny fanazavan’ny Minisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Ernaivo, dia fomba vaovao hanisana ny vahoaka ity hetsika ity: “Manana fiizina (identité) iray ny olona iray eto amin’ny firenena, tsy hisy olona hanana roa satria iray ihany ny "empreinte biométrique" .” Ho voasoratra anarana ara-biômetrika na ireo tsy manana karapanondro sy tsy manana kôpia, eny na ireo tsy manana na inona na inona mihitsy aza. Mba hisorohana ny fanararaotana sy ny hosoka, dia misy fepetra henjana napetraka ao anatin’ity lalàna vaovao ity. Eo aloha ny andraikitry ny Lehiben’ny Fokontany, izay hanamarina ny antontan-taratasy eny ifotony. Mila vavolombelona roa ihany koa ireo izay tsy manana fanamarinana fiizina. Ireo izay manao fanambarana diso na ny vavolombelona mandainga dia mety hiharan’ny sazy an-tranomaizina 2 hatramin’ny 10 taona.

Notsindrian’ny Minisitra anefa fa ity fisoratana anarana ity dia dingana fanamafisana ny fiizina ara-dalàna (identité civile) ihany fa tsy midika ho fanomezana zom-pirenena (nationalité) avy hatrany.

Lire la suite

Articles Similaires