• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Parentco
Image
Reny&Zaza

Mitaiza kely : tokony arahana daholo ve ny torohevitra rehetra ?

21/04/2026 15:20 © Moov.Mg

Rehefa lasa ray aman-dreny, indrindra rehefa mitaiza kely, dia lasa tafiditra anaty tontolo feno torohevitra avy amin’ny olona maro. Fianakaviana, namana, mpiara-miasa, ary na dia olona tsy mifankazatra amin’ny tena aza… dia samy manana lazaina momba ny fomba fitaizana zaza. Manoloana ireo karazana torohevitra ireo, izay indraindray mifanohitra ny hevitra, dia mipetraka ny fanontaniana hoe tokony arahana daholo ve izy ireny ?

Torohevitra maro be, tsy voatery hifanaraka amin’ny zava-misy

Mandritra ny fitondrana vohoka dia efa manomboka ny torohevitra avy etsy sy eroa mikasika ny sakafo, torimaso, fisafidianana ny zavatra ilaina, fomba fitaizana… Rehefa teraka moa ny zaza vao mainka mihamaro izany.
Misy amin’ireo torohevitra no tena manampy sy feno fitiavana, fa misy kosa ireo efa lany andro, manameloka, na tsy mifanaraka amin’ny toe-javatra iainana.
Tsy ny fisian’ny torohevitra no olana fa ny habetsany sy ny fahasamihafany. Izay mety amin’ny olona iray na zaza iray ihany koa dia mety tsy hifanaraka amin’ny hafa.

Zava-dehibe ny fahaizana mandinika sy misafidy

Tsy mitovy lanja ny torohevitra rehetra. Ilaina ny mahay manavaka:
-Torohevitra avy amin’ny loharano azo itokisana (mpitsabo, manam-pahaizana),
-Traikefa manokana (mahasoa fa tsy voatery mety amin’ny olona rehetra),
-Hevitra tsy nangatahana (tsara raisina amim-pitandremana).
Eto ny hoe misafidy dia tsy midika akory hoe mandà be fahatany ny torohevitry ny hafa, fa mifidy izay tena mety aminao sy ny zanakao.

Mihaino… nefa koa mila manana hazon-damosina

Tsara ny mihaino torohevitra, fa ilaina koa ny mitazona ny fahatokisana tena. Ianao no akaiky sy mahalala indrindra ny zanakao. Tena ilaina sy manan-danja ny « intuition » sy ny fanaraha-masonao. Raha manaraka ny torohevitra rehetra tsy misy fandinihana ianao, dia mety hiteraka adin-tsaina, fisafotofotoana, ary fahatsapana ho tsy mahavita.

Fahatokisan-tena : fahaiza-manao fototra

Tsy midika hoe mahafantatra ny zava-drehetra avy hatrany rehefa lasa ray aman-dreny. Fianarana mitohy izy io. Mety hanao hadisoana, hanitsy, hanandrana fomba samihafa… ampahany amin’ny dingana amin’ny fitaizana izany rehetra izany. Ny fahatokisan-tena eto dia tsy midika hoe tsy mihaino ny torohevitra, fa mandray izany amin’ny fomba voalanjalanja.

Rehefa lasa manelingelina ny torohevitra

Indraindray, misy torohevitra lasa manery na miditra loatra amin’ny fiainana manokana. Amin’izay fotoana izay dia ilaina ny mametraka fetra. Azonao atao ny:
-Misaotra amim-panajana nefa tsy manaraka
-Manazava fa manana fomba hafa ianao
-Manova resaka raha toa ka lasa manavesatra ny adihevitra
Zava-dehibe ny miaro ny fahatonianao amin’ny maha-ray aman-dreny anao.

Lire la suite

Articles Similaires