Dite mampihena na « thé minceur »: tena mandaitra tokoa ve ?
Vokatra malaza eny an-tsena sy ny tambajotra sosialy ny dite mampihena na ny « thé minceur ». Lazaina fa afaka manampy amin’ny fampihenana lanja haingana izy ireny. Matetika dia miendrika dite, ravina na fangaron-zava-maniry mampanantena fanadiovana ny ao anaty, fanalana kibo na fandoroana tavy ny « thé minceur ». Ahoana àry ny ambaran’ny fikarohana ara-tsiantifika mikasika azy ireny ?
Ahoana ny fomba fiasan’ny dite mampihena na « thé minceur »?
Ny ankamaroan’ireo dite ireo dia miasa amin’ny fomba tsotra mifototra amin’ny zavamaniry ao anatiny:
-Mampitombo fivoahan-drano
Ny zavamaniry sasany, toy ny « pissenlit », ravina « cerise », na « thé vert », dia manampy ny voa hamoaka rano bebe kokoa. Vokany: mihena vetivety ny lanja, saingy rano no very fa tsy tavy.
-Mampalefaka ny tsinay
Ny akora sasany toy ny « séné » na ny vahona dia manafaingana ny fiasan’ny tsinay ka mety mampikakà matetika na manala ny « ballonnements ». Izany dia mahatonga fahatsapana hoe mihena ny kibo, nefa tsy mandoro tavy.
-Mandrisika kely ny « métabolisme »
Ny « thé vert » na « caféine » dia mety hampiakatra kely ny fandaniana angovo ao amin’ny vatana. Saingy kely dia kely ny vokany, tsy ampy hampihena lanja.
Mahomby ve ny dite mampihena lanja?
Afaka manampy kely:
-Mampihena rano voatana ao anaty vatana,
-Manome fahatsapana maivamaivana ny vatana,
-Mety hanolo zava-pisotro mamy ka mampihena kaloria.
Ny tsy vitany:
-Tsy mandoro tavy amin’ny fomba mahomby,
-Tsy mahasolo sakafo ara-pahasalamana,
-Tsy mahatonga fihenan-danja maharitra raha mandeha irery.
Raha fintinina dia matetika dia fihenan-danja vetivety fotsiny no hita.
Ny loza mety haterany
Na dia “voajanahary” aza ny dite mampihena, dia mety hisy vokany ratsy.
-Tsy fahampian-drano. Ny fivoahan-drano be loatra dia mety hiteraka havizanana, aretin’andoha, fidinan’ny tosidra.
-Olana amin’ny tsinay. Ny « laxatif » dia mety hiteraka fivalanana, fanaintainan’ny kibo, fiankinan’ny tsinay amin’ilay vokatra.
-Tsy fifandanjan’ny mineraly. Ny fahaverezan-drano be dia mety hanakorontana ny « sodium » sy « potassium » ao anaty vatana. Izany moa dia mety hiteraka fahalemena na olana amin’ny fo amin’ny tranga mafy.
-Havizanana sy tsy fahampian-tsakafo. Raha ampiasaina ela dia mety hanelingelina ny fandraisana otrikaina.
Zava-dehibe tokony ho fantatra
Ny dite mampihena na « thé minceur » dia amin’ny rano sy ny tsinay no tena miasa, fa tsy amin’ny tavy. Ny fihenan-danja maharitra dia miankina amin’ny :
-sakafo voalanjalanja,
-fanatanjahan-tena,
-torimaso sy fitantanana adin-tsaina.



