• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Miasa
Image
Vaovao

Faritra Atsimo Andrefana : Velaran-tany maherin’ny 200 000 ha efa voaaro amin’ny valala

20/04/2026 09:52 © Moov

Nahavelom-bolo ny zava-bitan’ireo ekipa miady amin’ny valala ao Sakaraha, raha tatitry ny fidinan’ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fahaleovantena ara-tsakafo, Gaëtan Ramindo, tany an-toerana. Efa nahafahana niaro velaran-tany maherin’ny 200 000 ha mantsy ny taom-piadiana 2025-2026.

Mandeha haingana ny ady eny ifotony

Nitsidika ny toby an’habakabaka, miady amin’ny valala, tao Sakaraha ny faran’ny herinandro teo ny Minisitra, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitry ny Ivon-toerana Famongorana ny valala eto Madagasikara (IFVM). Mitohy hatrany izany ady izany na dia efa azo lazaina aza fa azo tsapain-tanana ny vokatra, ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana ao. Noho ny paikady napetraka dia velaran-tany maherin’ny 200 000 ha no efa vita famendrahana fanafody tamin’ny alalan’ny ady an-tanety sy an’habakabaka, ho an’ny taona 2025 # 2026. Ny roa ampahatelon’izany dia natao tamin’ny alalan’ny angidimby, mba hahafahana mahatratra haingana ireo faritra tena voa mafy
Manohy ny ezaka tsara natao nandritra ny taom-piadiana 2024-2025 ity hetsika ity. Ho an’ny taom-piadiana 2025-2026 dia kendrena ny hiaro velaran-tany 600 000 ha farafahakeliny. Tanjona amin’izany ny hisorohana ny fihanaky ny valala, ny fahasimban’ny voly ary ny mety ho tsy fahampian-tsakafo ho an’ny mponina. « Araka ny fanambaran’ny Ministera dia azo lazaina fa voafehy ny toe-draharaha amin’izao fotoana izao ary tsy atahorana hisy ny fihanaky ny valala intsony. »

Hatsaraina ny fampitaovana enti-miady

Nandritra izany fitsidihana izany moa dia nisaotra manokana ireo mpiara-miombon’antoka ny Minisitra. Notsingaina manokana tao anatin’izany ny FAO sy ny Banky Iraisam-pirenena, noho ny fanohanana entin’izy ireo amin’ny ady amin’ny valala. Raha tsiahivina dia mitentina 2 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola omen’ny Banky Iraisam-pirenena ho fanavaozana sy fanatsarana ny asan’ny IFVM. Hahafahana manatsara ny fitaovana, ny fomba fiasa ary ny fahombiazan’ny ady izany.
Na izany aza, mbola ilaina ny fitohizan’ny ezaka. Nanentana ny tantsaha sy ny mponina ny Minisitra mba hampandre avy hatrany ny tompon’andraikitra raha misy tranga vaovao hita. Nomarihina moa fa hafindra any Ankazoabo ny toby an’habakabaka, satria efa vita ny ankamaroan’ny asa tao Sakaraha.

Lire la suite

Articles Similaires