• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Min San
Image
Vaovao

Aretina fijininihan-drà lava : Mbola voafetra ny isan’ny olona manao fitiliana sy ny fitsaboana

17/04/2026 13:53 © Moov

Eto Madagasikara, mbola tsy dia be mpahafantatra loatra ny aretina fijininihan-drà lava na ny « hémophilie ». Aretina fototarazo miteraka fandehanan-dra tsy mijanona izy io ary indrindra mianjady amin’ny ankizikahy. Ny fanentanana, ny fitiliana mialoha ary ny fitsaboana no mbola fanamby lehibe hanatsarana ny fahasalamana, manerana ny Nosy, raha mikasika ity aretina ity manokana.

Aretina tsy dia fahita firy sy mbola tsy voatily tsara eto Madagasikara

Aretin’ny rà, vokatry ny tsy fahampiana singa (facteurs de coagulation) mampivaingana ny rà ka mahatonga ny olona iray handeha rà tsy mijanona, io aretina io. « Facteur 8 » ho an’ny Hémophilie A ary « Facteur 9 » ho an’ny Hémophilie B. Miteraka fandehanan-dra maharitra izy io, na ivelany na anatiny, ary mety ho mafy, indrindra amin’ny tonon-taolana na ireo taova any anatiny. Eto Madagasikara, zazalahy iray amin’ny 10 000 no teraka miaraka amin’ity aretina ity. Na izany aza, latsaky ny 10 % amin’ireo marary no voatily amin’izao fotoana izao. Ny antony dia ny tsy fahampian’ny fitiliana sy ny fahasarotan’ny fidirana amin’ny tolotra ara-pahasalamana manokana.

Fitiliana, fitsaboana ary fandraisan’anjaran’ny mpisehatra rehetra

Zava-dehibe ny fitiliana aloha mba hisorohana ny fahasarotana. Izany dia mba hahafahana mamantatra ireo singa mampirindra rà kanefa tsy ampy ary hahafahana manomboka fitsaboana mifanaraka amin’izany. Eto Madagasikara, ny fitsaboana dia atao ao amin’ny Ivontoeram-pitsaboana ny Hémophilie eto Madagasikara (CTH-Mada) ao amin’ny CHU Joseph Ravoahangy Andrianavalona (JRA) eto Antananarivo. Mifantoka indrindra amin’ny fampidirana “facteurs de coagulation” sy ny fanabeazana ny fianakaviana hisorohana ny fandehanan-dra, izany fitsaboana izany.
Manana anjara toerana lehibe ny fikambanan’ny marary, indrindra ny Association pour le Bien-être des Hémophiles à Madagascar (ABEHM), amin’ny fanohanana sy fanentanana. Izy ireo no manamora ny fifampizaràna traikefa eo amin’ny fianakaviana ary manohana ny hetsika ara-pahasalamana samihafa.

Hankalazaina ny andro maneran-tany

Ho fanamarihana ity andro maneran-tany ity dia nisy hetsika fanentanana natao tao amin’ny CHUJRA, tarihin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Ny tanjona dia ny hanamafy ny tokony hanaovana fitiliana, ny fandraisana an-tanana ary ny hanetsika loharanon-karena bebe kokoa. Mba hanamafisana ny fanentanana ihany koa dia miloko mena ireo fotodrafitrasam-panjakana lehibe eto Antananarivo, hatramin’ny alina. Tanjon’izany manokana ny hampahafantarana ny vahoaka ny fisian’ity aretina ity sy ny fandraisana andraikitra, mifandraika amin’izany.
Marihina moa fa i Madagasikara dia miara-miasa hatrany amin’ny Fikambanambe iraisampirenena momba ny fijininihan-drà sy Fédération Mondiale de l’Hémophilie.Tizany dia mikendry ny fanohizana hatrany ny fahafahan’ny olona maro miditra amin’ny fitsaboana. Mbola maro ihany oa ny fanamby, mbola mila hatao, manerana ny Nosy mikasika io aretina io.

Lire la suite

Articles Similaires