Tontolo iainana : Mpitrandraka voamboana an-tsokosoko miisa 6 no tratra tao amin’ny Valanjavaboary Analamazaotra
Olona miisa enina no tratra nitrandraka hazo voamboana an-tsokosoko tao amin’ny valanjavaboary Analamazaotra ny alin’ny 14 aprily 2026. Vokatry ny fanamafisana ny fisafoana nataon’ny tompon’andraikitra sy ny mpitandro filaminana, no nahafahana nisambotra azy ireo.
Mitombo isa ny fahatapahana hazo
Anisan’ny hazo sarobidy indrindra eto Madagasikara ny voamboana, na palissandre. Noho ny fitrandrahana tafahoatra azy dia efa tafiditra ao anatin’ny lisitra mena an’ny Union internationale pour la conservation de la nature izy, ka sokajiana ho hazo atahorana ho lany tamingana. Izany indrindra no antony nandraran’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy ny fitrandrahana sy ny fanapahana azy. Na izany aza anefa, mbola nisy ihany ny tranga hita tao amin’ny valanjavaboary Analamazaotra, ao amin’ny kaominina Andasibe.
Taorian’izay dia nandray fepetra hentitra ny Madagascar National Parks, ny DREDD Alaotra-Mangoro ary ireo tompon’andraikitra eny an-toerana. Nohamafisina ny fisafoana andro aman’alina niaraka tamin’ny zandary sy ny polisy. Nandritra izany fisafoana izany no nahatrarana ireo olona enina ireo. Ny iray tamin’izy ireo dia tratra tao anatin’ny faritra arovana mihitsy. Ny dimy ambiny kosa tratra tao amin’ny fokontany Morafeno, Anevoka ary Ambavaniasy, toerana manodidina ny valanjavaboary.
Antso avo amin’ny mponina hiaro ny ala sy ny harena voajanahary
Araka ny vaovao voaray dia olona tsara sitrapo no nampandre ny tompon’andraikitra ka nahafahana nametraka vela-pandrika. Efa notanana hanaovana fanadihadiana ireo voasambotra ary hatolotra ny fitsarana. Nanamarika ihany koa ny MEDD fa tsy handefitra amin’ireo tratra manimba ny harena voajanahary ny fanjakana. “Tolérance zéro” no ampiharina amin’ny fanapahana hazo tsy ara-dalàna sy ny fitrandrahana an-tsokosoko ao anatin’ny ala sy valanjavaboary.
Nambaran’ireo fikambanana miaro ny tontolo iainana ao Andasibe fa nitombo tato anatin’ny telo volana voalohan’ny taona 2026 ny tranga fanapahana hazo tao amin’ny valanjavaboary sy ireo ala tantanin’ny VOI. Miantso ny mponina izy ireo mba hiara-hisalahy amin’ny fiarovana ny ala. Raha misy tranga mampiahiahy dia asaina mampandre avy hatrany ny tompon’andraikitra na miantso ny laharana maitso 955.



