Fahasalaman’ny zaza : Ireo zavatra tsy tokony homena ny zazakely
Mbola tena marefo ny fahasalaman’ny zazakely satria mbola eo am-pivoarana ny taova sy ny rafitra fiarovan-tenany. Noho izany dia zava-dehibe ny fahafantarana ireo zavatra (sakafo) tsy tokony mbola homena azy, eny na dia tsy tena mampidi-doza azy izy ireny indraindray. Araho eto ny fanazavana lalindalina kokoa mikasik’izany.
Tantely : tsy azo omena ny zaza latsaky ny 12 volana
Ny tantely dia sakafo voajanahary tsara ho an’ny olon-dehibe, saingy tena mampidi-doza ho an’ny zazakely latsaky ny 12 volana. Mety misy bakteria antsoina hoe « Clostridium botulinum » ao anatin’ny tantely. Ny tsinain’ny zazakely nefa dia mbola tsy matotra tsara ka tsy afaka miady amin’ireo bakteria ireo.
Ny « risque » mety hitranga dia ho tratry ny aretina « botulisme infantile » ilay zaza. Anisan’ny fahasarotana mety aterak’io aretina io ny fahalemena tampoka, tsy fahafana mihetsika tsara, fahasarotana miaina. Amin’ny tranga mafy moa dia mety hahafaty mihintsy ny « botulisme infantile » raha tsy voatsabo ara-potoana.
Rano (indrindra amin’ny volana voalohany)
Maro no mihevitra fa mila misotro rano ny zazakely. Tsy mbola azo omena rano nefa ny zazakely, indrindra moa ny zaza vao 1 na 2 volana. Ho an’ny zaza latsaky ny 6 volana, ny rononon-dreny na solon-dronono dia ampy tanteraka mitondra ny rano ilain’ny vatany.
Ny fanomezana rano be loatra ny zazakely dia mety hiteraka fikorontanan’ny mineraly ao amin’ny vatana (hyponatrémie) na koa « inflammation » amin’ny ati-doha amin’ny tranga sarotra. Mety ho lasa voky rano ihany koa ny zaza ary lasa tsy dia mitady nono ka ho tratry ny tsy fahampian-tsakafo. Rehefa manomboka mihinana sakafo (6 volana mihoatra) ny zaza vao tokony omena rano tsikelikely araka ny torohevitry ny mpitsabo.
Sakafo mafy sy mety hahakenda
Mbola tsy mahay mitsako tsara ny zazakely ka mora kenda. Raha mbola kely àry izy ireny dia tsy azo omena voanjo manontolo, vatomamy mafy, karaoty manta na paoma tsy voatetika tsara, hena lehibe… Raha kenda ny zazakely dia mety hitarika fikatsoan’ny lalan-drivotra sy fahasemporana tampoka. Mety hahafaty moa izany raha tsy voavonjy haingana. Noho izany, tokony potipotehana na totoina tsara ny sakafo omena ny zazakely, indrindra ireo vao mianatra misakafo.
Sira sy siramamy be loatra
Ny voa sy ny rafitra « métabolique » amin’ny zazakely dia mbola marefo. Ny fihinanana sira be loatra dia manavesatra ny voa ary mety hiteraka olana amin’ny tosidrà rehefa any aoriana. Ny siramamy be loatra kosa dia mampisy fahazaran-dratsy amin’ny fihinanana sakafo mamy, mety hiteraka fahasimban’ny nify rehefa maniry, mety hampitombo ny « risque » ho lasa matavy be loatra any aoriana. Tokony ho voajanahary ny sakafo homena ny zazakely mianatra misakafo, izany hoe tsy asiana sira na siramamy.
Ronono avy amin’ny biby (toy ny ronon’omby) alohan’ny 1 taona
Na dia sakafo mahazatra aza ny ronon’omby (ronono velona, vovon-dronono, ronono mandry), dia tsy mety ho an’ny zazakely latsaky ny 1 taona. Sarotra levonina ireny karazana ronono ireny noho ny firafiny. Ny fisotroan’ny zazakely ireo karazana ronono ireo dia mety miteraka aretin-kibo, « allergie », tsy fahampian-dra (anémie) satria mety manakana ny fandraisan’ny vatana « fer ». Ankoatra izay dia tsy mitondra ireo otrikaina mifanaraka amin’ny filan’ny zaza ho amin’ny fitomboany ihany koa izy ireny ka tsy afaka mahasolo rononon-dreny sy solon-dronono.



