Ireo fahadisoana mahazatra ka tokony hialana rehefa mikarakara ny hodi-tava
Zava-dehibe tokoa ny fikarakarana ny tarehy mba hitazonana ny hoditra salama, madio sy mamirapiratra. Misy nefa amin’ireo fahazarantsika amin’ny fikarakarana ny hoditra no mety hanimba azy vokatry ny tsy fahafantarana. Andeha àry ho fantarina eto ireo fahazarana mahazatra tokony hialana rehefa mikarakara ny hodi-tava.
Manasa tarehy mafy loatra na tsy ampy
Maro no mihevitra fa ny tarehy madio dia ilay « voadio mafy ». Raha ny marina nefa dia ny fanasana tafahoatra ny hodi-tava amin’ny savony mahery, rano mafana loatra, na matetika loatra dia manimba ny sosona fiarovana voajanahary amin’ny hoditra.
Izany dia mahatonga ny hoditra mifandrirotra, mivaramena, ary indraindray mamokatra menaka be kokoa. Etsy ankilany, raha tsy ampy kosa ny fanasana ny tarehy dia lasa miangona ny loto sy ny menaka ka miteraka mony.
Mba hisorohana izany dia tsara raha sasana maraina sy hariva ny tarehy. Vokatra malefaka no ampiasaina. Rano matimaty no safidiana fa tsy azo atao mamay.
Tsy mahafantra ny karazan-koditry ny tena
Fahadisoana lehibe ny tsy fahafantarana ny karazan-koditry ny tena. Raha mampiasa vokatra fikarakarana hoditra tsy mifanaraka aminy dia mety hiharatsy ny toe-pahasalaman’ny hodi-tava.
Ho an’ny olona manana hoditra be menaka, ohatra, dia tsy tokony hampiasa « crème » mavesatra satria mety hanentsina ny mason-koditra izany ary hiteraka mony. Ho an’ireo manana hoditra maina dia tsy mety ny mampiasa vokatra maivana loatra satria mahatonga fahamainana.
Noho izany dia mila fantarina aloha ny karazan-koditry ny tena vao misafidy ny vokatra fikarakarana mety aminy. Afaka manontany mpitsabo manokana ny hoditra na ireo matihanina amin’ny fikarakarana ny hodi-tava raha misy fisalasalana.
Tsy amy ny « hydratation » ampiasaina
Maro ny mieritreritra fa tsy mila « hydratation » ny hoditra be menaka. Diso nefa izany fiheverana izany satria mila rano avokoa ny karazan-koditra rehetra. Raha tsy ampy « hydration » ny hodi-tava dia lasa mifandrirotra, mivaloarika ary mety hitera-menaka bebe kokoa.
Mba hisorohana izany dia ilaina ny mampiasa « crème hydratante » isan’andro. Safidiana mifanaraka ny hoditry ny tena ny « texture » ampiasaina.
Tsy manala « maquillage » tsara
Ny fatoriana miaraka amin’ny « maquillage » dia manentsina ny mason-koditra ary manakana ny hodi-tava hiala sasatra. Na tsy manao « maquillage » àry dia ilaina hatrany ny fanaovana « démaquillage » rehefa alohan’ny hatory satria misy loto sy vovoka miangona eo amin’ny tarehy.
Tsara raha mampiasa « démaquillant » malefaka hanadiovana ny hodi-tava rehefa hariva. Raha azo atao dia arahana « lotion nettoyante » izany, indrindra raha somary navesatra ny « maquillage » nanaovana. Tsy adinoina ny « hydration » rehefa vita izay rehetra izay.
Tsy mitandrina ny fomba fiaina
Tsy mijanona eo amin’ny fanadiovana sy ny fampiasana vokatra fikarakarana hoditra irery ihany ny fikoloana ny fahasalaman’ny hodi-tava. Zava-dehibe ihany koa ny fitandremana ny fomba fiaina :
-Mihinana sakafo ara-pahasalamana,
-Misotro rano tsara isan’andro,
-Torimaso ampy sy tsara kalitao,
-Mifehy ny adin-tsaina.



