Stade Barea Mahamasina : Hamondrona ireo mpisehatra amin’ny teknolojia moderina ny SDIOI
Hifamotoana eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina indray ireo mpankafy teknolojia môderina sy ireo mpaninjara na ireo mpamokatra izany ato ho ato. Hotanterahina ny 24 hatramin’ny 26 aprily izao mantsy, ny hetsika « Le Salon du Digital et de l’Innovation de l’Océan Indien (SDIOI) ».
Vahaolana ara-teknolojia vaovao ho an’ny fiarahamonina
Samy afaka hisitraka izay ho anjarany avokoa ny olona rehetra, tsy an-kanavaka mandritra ity hetsika karakarain’ny ACE Agency miaraka amin’ny orinasa YAS Madagasikara sy ny CanalPlus. Ho hita mandritra ireo telo andro ireo mantsy ireo karazana teknolojia vaovao, izay vahaolana ho an’ny rehetra. « Tsy afa-miala amin’ny fivoaran’ny teknolojia intsony ny Malagasy ka ho atambatra amin’ny toerana iray, ireo karazany vaovao, izay mbola tsy dia be mpampiasa », hoy ny mpikarakara. Tanjon’izany ny hahafahan’ny mpitsidika mahita sy manjifa ireo vokatra teknolojia vaovao, amin’izao fotoana izao.
Isan’ny ho hita ao an-toerana, ohatra, ny vahaolana amin’ny fahatapahan-jiro, toy ny fitaovana famokarana herinaratra mandeha amin’ny masoandro. Etsy ankilany dia ho hita ao ihany koa ireo vahaolana teknolojika (solution digitale) sy ireo fitaovana samihafa efa mifandray amin’ny tambazotra (appareils connectés). Ankoatra ny fampirantiana dia ho azon’ireo rehetra atao ny mahita ny fomba fampiasana ireny fitaovana maoderina ireny sy fanandramana azy.
Fanentanana samihafa
Natao ho an’ny rehetra ny hetsika ka ankoatra ny fampisehoana ireo vokatra sy tolotra dia hisy ihany koa ny fanentanana samihafa. Misy ny “tombola” izay hanoloran’ny mpikarakara loka. Nomarihina fa 3 000 ariary ny vidim-pidirana ary 2 000 ariary ho an’ny mpianatra ka hahafahana mahazo « ticket » iray amin’ny Tombola io vidim-pidirana io.
Hanomezana aina ny hetsika dia hisy ihany koa ny « espace gaming » ho an’ireo mpankafy izany ka hisy ny fifaninanana, hahazoana loka.



