Andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana : omena lanja manokana ny fikarohana ara-tsiansa
Eny amin’ny kianja Barea Mahamasina no anamarihana amin’ny fomba ôfisialy ny andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana amin’ity taona 2026 ity, ho antsika eo Madagasikara. Ireo kabary rehetra nifandimbiasana, nandritra ny lanonam-panokafana ny hetsika, dia samy nanipika ny maha-zava-dehibe ny fikarohana siantifika avokoa, ho entina manatsara ny sehatry ny fitsaboana.
Siansa sy fahasalamam-bahoaka
Ankalazaina isaky ny 7 aprily ny andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana, izay manamarika ihany koa ny nahaterahan’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana, na ny OMS, izay mankalaza ny faha-78 taonany amin’ity taona 2026 ity. « Miray hina isika ho an’ny fahasalamana ary hanohana ny siansa », no lohahevitra voizina amin’ity taona ity, izay manipika ny anjara toerana goavana tazonin’ny siansa eo amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny fitsaboana.
« Eo afovan’ny fahasalamam-bahoaka no itoeran’ny siansa. Izy no manampy amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra, manoro lalana amin’ireo asa tanterahina ary manamafy ny fahaiza-manao. Izany indrindra no maha-tsy azo ihodivirana ny fiaraha-miasa eo amin’ny oniversite sy ny ministera », hoy ny nambaran’i Laurent Musango, solontena maharitry ny OMS eto Madagasikara, nandritra ny fandraisam-pitenenany.
Ady amin’ny kolikoly
Ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Managna Monira kosa, dia niantso ny fiaraha-mientan’ny rehetra, indrindra ny mpiasan’ny fahasalamana, mba hiray hina amin’ny fiarovana ny fahasalamana sy amin’ny fanohanana ny siansa. « Raha salama ny vahoaka, miroborobo ny firenena. Raha marefo ny fahasalamana, mihemotra ny fandrosoana. Andraikitra iombonana ny miaro sy mampandroso azy », hoy ny nambarany.
Nanamafy izany antso avo miantefa amin’ireo mpiasan’ny fahasalamana izany ny mpanolo-tsaina Avon’ny Fanavaozana, ny jeneraly Zafitasondry Marcellin Ranoelson. « Sarobidy ny ain’olona tsirairay, sarobidy ny ain’ny malagasy tsivakivolo. Raha mbola misy ny azo atao dia ataovy izany, satria raha mbola misy fofon’aina dia misy fahavelomana », hoy ny voalazany tao anatin’ny kabariny. Namafisiny ihany koa ny tokony hiadian’ny rehetra amin’ny kolikoly : « Alaviro ny fanararaotana ny olona mpitondra marary (…) Sahia mijoro ho maodely amin’ny fanoherana ny kolikoly, ka tsy ho azon’ny fakam-panahy hanao izany ».
Hetsika fanentanana isan-karazany
Niresaka manokana momba ny zava-misy eto amin’ny tanànan’Antananarivo kosa Rajonson Zaratiana Finaritra, Ben’ny tanàna mpisolo toerana eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Notsiahiviny fa tanàna be mbonina indrindra eto amin’ny firenena, ary faha-4 manarena an’i Afrika, ny renivohitr’i Madagasikara, satria mitaha amin’ny 1.6000 /km2 ny isan’ny mponina eto. 5 monja anefa no isan’ny tobim-pahasalamana fototra misy eto Atananarivo, raha tokony ho 12 izany, raha oharina amin’ny isan’ny mponina. Na izany aza anefa, araka ny notsipihin-drtoa Ben’ny tanàna mpisolo toerana, dia mandray ny andraikitra tandrify azy ny fiadidina ny tanànan’Antananarivo, satria, « ny fahasalamana dia tsy eny anivon’ny hopitaly ihany fa manomboka eny amin’ny fiaarahamonina, tanàna, tontolo iainana, ary mahakasika ny fiainana andavanandron’ny mponina ».
Taorian’ny lanonam-panokafana dia hetsika ara-pahasalamana isan-karazany no nentina nanamarika ny andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana, toy ny fizaham-pahasalamana maimaim-poanna sy ny fanomezana fanafody mifandraika amin'izany ; fitiliana ireo aretina tsy mifindra toy ny diabeta, tosidra, homamiadan'ny vozon'ny tranon-jaza... ; fijerena ny fahasalaman'ny reny sy ny zaza ; fanaovana vaksiny miaro amin'ny mpox ; fanaovana vaksiny ny saka sy ny alika ; ary hetsika fanentanana isan-karazany, ho an’ny rehetra.



