Boriborintany fahatelo : Mihoatra lavitra, hatrany amin’ny 115%, ny vesatra zakain’ireo zotra mpitsinjara herinaratra
Manoloana ny olan’ny famatsiana jiro sy rano eto an-drenivohitra, sy ao anatin’ny fanatsarana tanterahina eo anivon’ny JIRAMA, dia nisy ny fihaonana teo amin’ny gal Rasolomanana Hajatiana, tale jeneralin’ity orinasa mpamokatra jiro sy rano eto Madagasikara ity, sy ireo Sefo Fokontany ao anatin’ny Boriborintany fahatelon’Antananarivo Renivohitra, omaly 31 martsa 2025.
Hisitraka vata mpanova herinaratra vaovao
Araka ny tatitra teknika nataon’ny avy eo anivon’ny JIRAMA, dia mizaka vesatra hatramin’ny 115% amin’izay tokony ho zaka, ireo zotra mitsinjara herinaratra mavesatra (Moyenne Tension) ao anatin’ny Boriborintany fahatelo. Vokatr’izany, miisa 72 ireo vata mpanova herinaratra (transformateurs) no efa hipoka, ka efa tsy mahazaka intsony ny fitombon’ny fampiasana jiro. Mba hamahana izany olana izany dia hisitraka ny ampahany amin’ireo vata mpanova herinaratra vaovao miisa 54, novidian’ny Fiadidiana ny Fanavaozana niaraka tamin’ny Banky Iraisam-pirenena, ny Boriborintany fahatelo. Hisy ihany koa ny fanoloana ireo taribin-jiro efa tonta sy ny fametrahana andrin-jiro « béton », vaovao miisa 50, ho solon’ireo efa simba sy lo.
Raha oharina amin’ny herinaratra, dia tsara kokoa ny zava-misy momba ny rano ao anatin’ny Boriborintany fahatelo. Ny ankamaroan’ireo Fokontany ao an-toerana mantsy dia voasokajy ao anatin’ny "loko maitso", izany hoe : mahazo rano mihoatra ny 20 ora isan’andro. Na izany aza, misy ireo faritra mbola ao anatin’ny "loko mavo" sy "volomboasary" izay mbola iharan’ny fahatapahana matetika.
Fanatsarana ny tolotra omen’ny JIRAMA
Mba hanatsarana izany dia isan’ny hisitraka ireo tetikasa goavana ao Mandroseza ihany koa ny mponina ao anatin’ity Boriborintany ity. Raha tsiahivina, ireo tetikasa ireo dia miompana amin’ny fananganana tobim-pamokarana vaovao afaka mamokatra rano betsaka ao anatin'ny fotoana fohy (1000m3/ora), ny fanoloana ireo fantsona tranainy sy ny fanavaozana ny paompy efa tonta, ary ny fametrahana fitaovana maoderina hanadiovana ny rano, mba hadio tsara hatrany ny rano tonga any an-trano.
Namafisin’ny mpitantana ny JIRAMA fa maimaim-poana ny asa fanamboarana rehetra atao eny an-kianja. Tokony ho mailo hatrany, noho izany ny mpanjifa, ary hanamarina ny taratasy fanirahana (Ordre de mission) sy ny famantarana (Badge) ireo teknisiana. Araka ny nambaran’ny lefitry ny Distrika, Velondraza Laurent, dia dingana lehibe amin’ny fanatsarana ny tolotra omen’ny JIRAMA ny fifampiresahana mivantana toy izao. Ny Boriborintany fahefatra no hamaranan’ny JIRAMA ity andiana fihaonana amin'ireo Sefo Fokontanin’Antananarivo Renivohitra ity.




