Tontolo iainana : Tafatsangana ny faritra arovana an-dranomasina sy an-tanety vaovao ao Sainte-Marie
Manamafy ny fiarovany ny harena voajanahary i Madagasikara. Nomarihina tamin’ny fomba ofisialy, omaly 30 martsa ny fananganana vonjimaika ny faritra arovana an-dranomasina sy an-tanety mirefy 265 000 hekitara any Sainte-Marie. Niaraka tamin’izany ny fitokanana tsangambato manamarika ny maha-zava-dehibe ara-tontolo iainana ity toerana ity.
Toerana miavaka : Fankatoavana iraisam-pirenena
Manan-karena toerana miavaka sy hafa kely i Madagasikara. Isan’izany ity faritra arovana vaovao antsoina hoe Sorkay ity izay nahazo ny marika iraisam-pirenena (label) “Key Biodiversity Area” (KBA). Izany dia manamarina ny lanjany goavana eo amin’ny fiarovana ny zavamananaina maneran-tany. Toa an’i Nosy Be, ity toerana ity dia miavaka amin’ny harena sy ny fahasamihafan’ny tontolo iainana ao aminy.
Tsy amin’ny endriny hita maso fotsiny anefa ny fahazoana ity « label » ity, fa natao ihany koa hampahafantarana sy hanentanana ny mponina sy ny mpampiasa ny harena an-dranomasina momba ny maha-zava-dehibe ny fiarovana ireo karazana zavamananaina ao amin’ity faritra ity. Anisan’ireo zavamananaina manokana hita ao ny sorkay, izay tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara, ary koa ireo trozona izay mivezivezy matetika amin’ny ranomasin’i Sainte-Marie. Ireo karazanjavamananaina ireo dia mila fiarovana manokana mba hiantohana ny fahavelomany.
Fiaraha-miasan’ny mpiara-miombon’antoka
Ny fananganana ity faritra arovana ity dia tafiditra ao anatin’ny ezaka ataon’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana lovain-jafy, miaraka amin’ny fanohanan’ny WWF sy ny Global Environment Facility. Ireo mpiara-miombon’antoka ireo no nanampy tamin’ny fahazoana ny « label » KBA sy ny fanamafisana ny lanjan’ity toerana ity. Ankoatra izany dia nanohana ara-bola sy ara-teknika ny fananganana sy ny fitantanana ity tetikasa ity ny Gret Madagascar. Tanjon’izy ireo amin’izany ny hampifandanja ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana eny ifotony.
Marihina moa fa ankoatra ireo tompon’andraikitra ireo dia mandray anjara amin’ny fiarovana ny harena voajanahary ihany koa ireo vondron’olona eny ifotony. Izany fiaraha-miasa izany dia mampiroborobo ny fitantanana maharitra sy hiaraha-miasa ho tombontsoan’ny taranaka ankehitriny sy ny ho avy.




