• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mihari Network
Image
Vaovao

Fiarovana ny harena an-dranomasina any Atsimo : Mikaon-doha ireo mpisehatra eny ifotony mba hanatsarana ny fitantanana

31/03/2026 14:59 © Moov.Mg

Notanterahina nanomboka omaly 30 martsa, hatramin’ny 2 aprily 2026, any Toliara, ny fihaonamben’ireo vondrom-piarahamonina mpitantana ny Faritra an-dranomasina arovana eny ifotony (LMMA), any amin’ny tapany Atsimon’i Madagasikara.

Fanamafisana ny fahaiza-miatrika

Ahitana ny fandraisan’anjaran’ireo mpisehatra avy amin’ny faritra Atsimo Andrefana, Anôsy, ary Androy ity fihaonambe ity. Tanjona ny handinihana ny fomba hanatsarana ny fitantanana ny harena an-dranomasina sy ny morontsiraka any amin’ny tapany atsimon’i Madagasikara. Nandritra ny andro voalohany, omaly, no nanatanterahana ny lanonam-panokafana, izay narahina fanentanana samihafa sy fitsidihana tranoheva mba hanehoana ny zava-bitan’ireo mpisehatra eny ifotony.

Mifantoka amin’ny famelabelaran-kevitra sy fizarana momba ny lohahevitra efatra lehibe ny votoatin’ny fihaonambe any Toliara. Ny voalohany amin’izany ny fandrindrana ny LMMA eo anivon’ny rafitra ara-dalàna sy ny hetsika isam-paritra. Eo ihany koa ny tantara sy fijoroana vavolombelona ary fizarana traikefa mivantana avy amin’ireo mpitantana. Zava-dehibe ao anatin’izany ny fitadiavana vahaolana ho an’ny famatsiam-bola maharitra, izay antoky ny fampandrosoana ny vondrom-piarahamonina mpitantana ny LMMA. Farany, misy ny dinika momba ny fitantanana ny loza sy ny voina, mba hanamafisana ny fahaiza-miatriky ny mponina manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro.

Fiarovana ny ranomasina sy ny morontsiraka

Hatramin’ny taona 2004, ny LMMA dia nanjary endri-pitantanana mahomby izay mametraka ny vondrom-piarahamonina ho mpisehatra fototra amin’ny fiarovana ny zava-mananaina sy ny fitantanana ny fiveloman’ny mponina amorontsiraka. Mba hanamafisana izany ezaka izany, dia niforona ny taona 2012 ny Tambajotra MIHARI izay miantoka ny fiarovana ny zon’ireo mpitantana sy ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa amin’ny mpisehatra samihafa. Ankehitriny, maherin’ny 300 ireo LMMA mivondrona ao amin’ity tambazotra ity, miparitaka amin’ny faritra amorontsiraka 15 manerana ny Nosy.

Mandray anjara amin’izao fihaonam-be izao ireo mpitantana LMMA, ny tambajotra MIHARI, ny tomponandraiki-panjakana, ary ireo mpiara-miombona antoka ara-teknika sy ara-bola. Taorian’ireo fifanakalozana dia nitohy tamin’ny fanamafisana ny fahaiza-manao ny fandaharam-potoana nanomboka androany 31 martsa. Izao hetsika iaraha-manatanteraka izao dia manamafy fa ny firaisankina sy ny fanomezan-danja ny fahalalan’ny mponina eny ifotony no vahaolana maharitra indrindra ho an’ny fiarovana ny ranomasina sy ny morontsiraka any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy.

Lire la suite

Articles Similaires