• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Toetry ny andro : Somary lasa aloha ny vanim-potoana manasara-taona eto Madagasikara

30/03/2026 16:08 © Moov.Mg

Efa tafiditra ao anatin’ny vanim-potoana manasara-taona isika izao, raha ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny Foibe Famantarana ny Toetry ny Andro eto Madagasikara. Amin’ny ankapobeny anefa dia mbola amin’ny faran’ny volana aprily vao mifarana ny vanim-potoanan’ny rivo-doza.

Mifamadibadika ny hafanana sy ny hatsiaka

Somary nanaitra ny maro ny oram-be narahin-drivotra, nitarika fiakaran’ny rano teto Antananarivo, omaly 29 martsa 2026. Raha ny fanazavan’ny teknisianina avy eo anivon’ny Foibe Famantarana ny Toetry ny Andro eto Madagasikara dia efa tafiditra ao anatin’ny vanim-potoana manasara-taona isika izao, ka tsy marin-toerana tanteraka ny toetry ny andro, fa hifamadibadika eo ny hafanana sy ny hatsiaka, isaky ny telo na efatra andro. Taorian’ny andro vitsivitsy niainana tavolon’andro ririnina, dia miaina ao anatin’ny hafanana sy ny orana indray aloha isika eto Madagasikara, indrindra ny eto afovoan-tany, ao anatin’ireo andro vitsivitsy ho avy.

Vanim-potona manasara-taona eto Madagasikara

Raha ny nambaran’ny avy eo anivon’ny Foibe Famantarana ny toetry ny Andro hatrany, dia somary lasa aloha kely ny vanim-potona manasara-taona eto Madagasikara, tamin’ity taona 2026 ity. Vao nisasaka mantsy ny volana martsa dia efa nahatsapa fidinan’ny mari-pana ny Faritra maro manerana ny Nosy. Efa faran’ny volana aprily, na miditra volana mey, amin’ny ankapobeny, no manomboka tsapa io fidinan’ny mari-pana, mifandimby amin’ny hafanana io.

Raha fehezina, ato anatin’ny telo andro ho avy, manomboka ny 31 martsa, voalohany ary 2 aprily 2026, dia hitohy hatrany ny orana tandrifin-drahona arahin-kotroka, ho an'ny faritra maro eto Madagasikara. Mety harahina avandra izany any Bongolava, any amin’ny ilany andrefan’ny afovoan-tany ary any Miandrivazo. Hihamaina kosa ny tapany atsimo andrefana sy ny tendrony avatry ny Nosy, araka ny vinan’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro eto amintsika.

Lire la suite

Articles Similaires