• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Tolom-panafahana 1947 : Miisa 167 ireo Bekotromaroholatra mbola velona, mihoatra ny 95 taona

29/03/2026 15:30 © Moov.Mg

Nomarihina tamin’ny fomba ôfisialy androany 29 martsa 2026 ny faha-79 taonan’ny tolom-panafahana 1947. Nanatrika izany ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikaa sy ireo tomponandraiki-panjakana isan-tokony, teny amin’ny fasan’ny Maherifo Avaratr’Ambohitsaina, fa indrindra koa ny solontenan’ireo Bekotromaroholatra mbola velon’aina.

Faha-79 taonan’ny tolom-panafahana 1947

Toerana telo eto Madagasikara no nanamarihana tamin’ny fomba ôfisialy ny faha-79 taonan’ny tolom-panafahana 1947 ho an’ity taona ity, dia ny teny amin’ny fasan’ny Maherifo Avaratr’Ambohitsaina, ho an’ny teto Antananarivo, tany Moramanga ary tany Manakara, izay toerana roa tena niaina ny tabataba 1947. Saika nanatanteraka fankalazana ihany koa ireo Distrika maro manerana ny Nosy, ka isan’ny toeana nanatanterahana hetsika, teto Antananarivo, ny teny amin’ny Tsangambaton’ny Maherifo eny Ambohijatovo. « Tolom-pahafahana, fanavaozana ny fitiavan-tanindrazana » no lohahevitra voizina ho an’ity taona 2026 ity.

Ho an’ny teto Antananarivo manokana dia solontenan’ireo Bekotromaroholatra, miisa enina, no nanatrika ny lanonana notontosaina teny amin’ny fasan’ny Maherifo Avaratr’Ambohitsaina. Araka ny antontan’isa kosa dia miisa 167 izy ireo no mbola velon’aina ankehitriny, izay efa mihoatra ny 95 taona avokoa. Ny 101 amin’ireo no lehilahy ary ny 66 no vehivavy. Notoloran’ny filohan’ny Fanavaozana, ny kôlônely Randrianirina Michaël, solom-bodiakoho sy fehezan-karona nahitana kojakoja ilaina andavanandro ireo raiamandreny ireo, androany.

Fanaterana fehezam-boninkazo

Endrika fanamarihana mahazatra, ho fanomezam-bononahitra ireo Maherifon’ny firenena, ny fanaterana voninkazo, rehefa fotoana toy izao. Karazany telo no napetraka teny amin’ny fasan’ny Maherifo (Mausolée) androany, dia horonam-boninkazo (gerbe) naterin’ny filohan’ny Fanavaozana, niampy tahom-boninkazo (tige) iray sy fehezam-boninkazo (bouquet) iray, naterin’ny tanora. Ankoatra izay dia fomba nentina nahatsiaro ny tabataba 1947 ihany koa ny « afo tsy maty », izay narehitra tamin’ny volotsangana lehibe (bambou). Tanora 12 isa no nitondra izany, izay nentina nahatsiarovana fa nitondra volotsangana nirehitra tahaka izao ireo mpianady tamin’izany, nentiny nanazava ny lalan-kombany.

Nisy ihany koa ny tanora 18 isa, izay nanao fanamiana mampiavaka ireo foko 18 eto Madagasikara, ho fanamarihana fa miray fo ny Malagasy rehetra, miara-mahatsiaro ireo tia Tanindrazana, nitolona sy nahafoy ny ainy, mba hanafahana ny Malagasy tsy an-kanavaka teo ambany vahohon’ny mpanjanaka. Ankoatra izay dia nisy ny fiantsana tononkalo mifandraika amin’ny zava-nitranga tamin’izany fotoana izany ary koa ny fampisehoana soradihy mitantara ny talohan’ny tolona, tao anatin’ny tolona sy taorian’ny tolona.

Taorian’ny teny Avaratr’Ambohitsaina dia nihazo an’i Moramanga, nanotrona ny fanamarihana ny faha-79 taonan’ny Tolom-panafahana 1947 tany an-toerana, ny kôlônely Randrianirina Michaël mivady.

Lire la suite

Articles Similaires