Governementa Rajaonarison : minisitra 30 no mandrafitra azy, ny 17 no tafaverina amin'ny toerany
Tafajoro ny 25 martsa 2026 ny governemanta faharoan’ny fitondrana Fanavaozana. Miisa 30 izy ireo no mpikambana ao anatin'izany, izay tarihin’ny praiminisitra Rajaonarison Mamitiana Ruffin Jeannot.
Raha toa ka ny 15 martsa lasa teo no voatendry ho praiminisitra lehiben'ny governemanta Rajaonarison Mamitiana Ruffin Jeannot, dia 10 andro taorian'izay kosa no voatendry ireo mpikambana rehetra handrafitra izany governemanta izany. Miisa 30 ireo minisitra voatendry sy nampahafantarina tamin'ny fomba ofisialy omaly, nandritra ny lanonana notontosaina teny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha, ka ny 17 tamin'ireo no efa mpikambana tao anatin'ny governemanta Rajaonarivelo, raha vaovao kosa ny 13. Ny 9 tamin'ireo minisitra notendrena ireo no vehivavy.
Ireo minisitra voatazona amin’ny toerany :
-Minisitry ny Foloalindahy : Razafitombo Maminirina Ely
-Minisitry ny Fitsarana, mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana : Fanirisoa Ernaivo
-Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana : Rakotonandrasana Hanitra Velonjara Tiaray
-Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola : Dr Ramiarison Herinjatovo
-Minisitry ny Filaminam-bahoaka : Erick Michel Wouli Soumah Idrissa
-Minisitra misahana ny Fanavaozana : Me Razafimanantsoa Hanitriniaina
-Minisitry ny Fanajariana ny Tany : Général de Division Lylison René de Rolland
-Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka : Dr Managna Monira
-Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa : Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy
-Minisitry ny Varotra sy ny fanjifana : Andriamadison Haingotiana Michela Angèle
-Minisitry ny Rano, ny Fahadiovana sy ny Fidiovana : Razafindrianiaina Minosoa Anjaratiana Elia
-Minisitry ny Fizahantany sy ny Asa Tanana : Vololoniaina Lucie (Lily Rafaralahy)
-Minisitry ny Paositra, ny Fifandraisan-davitra ary ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy Mirindra : Andriamampiadana Mahefa
-Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena : Rasambany Alain Désiré
-Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina : O’Gascar Fenosoa Mandrindrarivony
-Minisitra delege misahana ny Zandarimaria : Général de Brigade Bama Marima
-Minisitry ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny Loharanon-karena stratejika : Andriamparany Carl
Ireo minisitra vaovao :
-Minisitry ny Raharaham-bahiny : Dr Alice Ndiya
-Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa : Andriamampandry Todisoa Manampy
-Minisitry ny Fanabeazam-pirenena : Rajaonarison Sendraniaina
-Minisitry ny Fambolena : Gaetan Ramino
-Minisitry ny Fiompiana : Andrianomenjanahary Riana Nantenaina
-Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina : Rina Nampoina Raharimanjatovo
-Minisitry ny Asa, ny Fampananan'Asa ary ny Asampanjakana : Denis Francko Marc
-Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro : Andrianavalona Ramanambola Herizo
-Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo : Rabearimanga Radonirina
-Minisitry ny Asa vaventy : Rafetimanana Richard
-Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga : Maharavo Jo
-Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy : Andriatsiala Luc Aristisde
-Minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina : Rakotoniaina Voahanginirina Cathia
Nandraisana lesona ireo lesoka teo aloha
Nandritra ny fandraisam-pitenany dia nanazava ny fomba nisafidianana ireto minisitra ireto ny filohan’ny Fanavaozana, ny kôlônely Randrianirina Michaël. Nandraisana lesona, hoy izy, ireo lesoka teo aloha. Tao anatin’izany dia namafisina ny fitsirihana ny fitiavan-tanindrazan’ny tsirairay, nojerena ny fahadiovam-pitantanana, ny fahavononana hiady amin’ny kolikoly, ny fahaiza-manao sy ny fananana haitarika ary ny fananan’izy ireo vina mazava hahafahana manatanteraka ny Pôlitikan’ny Fanavaozana. Notsiahivin’ny filohan’ny Fanavaozana ihany koa fa nampiasaina ny fivoaran’ny teknôlôjia, tamin’ny fifantenana azy ireo. Efa nambarany mialoha moa, fa hampiasaina ho entina mitsirika ny fahamarinan’ireo kandida ho minisitra ny « polygraphe ».
Nitodika tamin’ireo minisitra vao voatendry ihany koa ny kôlônely Randrianirina Michaël raha nanafatra azy ireo mba hipetraka ho fitaratra, na amin’ny fanompoana ny vahoaka malagasy, na amin’ny fitondran-tena. « Tsy miankina amin’ny maha-minisitra ny voninahitrareo fa miankina amin’ny asa fanompoam-bahoaka vitanareo », hoy ny nambarany.
Niroso avy hatrany tamin’ny filàn-kevitry ny minisitra moa ireo mpikamban’ny governemanta vaovao, taorian’ny fanendrena azy ireo.




