• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Slate
Image
Reny&Zaza

Fiterahana eto Antananarivo : ohatrinona eo ho eo no vola mila homanina ?

24/03/2026 15:14 © Moov.Mg

Fotoana lehibe eo amin’ny fiainana ny fiterahana. Eto an-drenivohitra dia dingana mila fiomanana, indrindra ara-bola, izy io. Mazava ho azy fa miovaova arakaraka ny toerana hiterahana sy ny toe-pahasalaman’ny reny sy ny zaza ny fandaniana. Mba hanampiana ny mpivady ho amin’ny fiterahana àry dia andeha ho fantarina hoe ohatrinona eo ho eo ny vola tokony omanina amin’izany.

Zava-misy : mila vola ny fiterahana

Eto Madagasikara dia mbola alohan’ny fianakaviana mivantana ny ankamaroan’ny fandaniana amin’ny fiterahana. Na dia any amin’ny hopitalim-panjakana aza, dia mbola mila mividy fanafody, fitaovana (gants, coton…), saran’ny fitsapana sy fanadihadiana ataon’ny rasazy na « gynécologue ».
Misy ihany koa ireo fandaniana miafina na tsy voateny mialoha ny fianakaviana, toy ny fanafody fanampiny, fandaniana tsy ampoizina… Noho izany dia mety mihoatra noho izay eritreretina ny vola lany mandritra ny fiterahana ka izay no mila hiomanana tsara dieny mialoha.

Miteraka any amin’ny hopitalim-panjakana : mora kokoa fa misy fetra

Ho an’ny maro, ny hopitalim-panjakana no safidy voalohany noho izy ireny mora kokoa.
Amin’ny ankapobeny dia eo anelanelan’ny 250 000 Ar hatramin’ny 500 000 Ar ny fiterahana tsotra na ara-boajanahary. Mety hiakatra ho 300 000 Ar hatramin’ny 800 000 Ar ihany koa nefa izy io miaraka amin’ireo fandaniana miafina.
Tombony :
-mora kokoa
-akaiky sy misy amin’ny faritra maro
Fetra :
-be olona
-indraindray tsy ampy ny fitaovana
-tsy dia misy « confort »

Hopitaly tsy miankina : tsara kokoa fa lafo

Misy kosa ireo misafidy “clinique privée” noho ny kalitaon’ny tolotra.
Manomboka amin’ny 700 000 Ar ny fiterahana tsotra. Mety hahatratra 3 000 000 Ar na mihoatra, miankina amin’ilay hopitaly safidiana.
Tombony:
-Tsara kokoa ny fikarakarana
-efitra madio sy milamina
-fanaraha-maso akaiky
Saingy mazava ho azy fa tsy ny rehetra no mahatakatra izany vidiny izany.

Raha mididy (césarienne) : mitombo be ny fandaniana

Raha sendra misy olana ka tsy maintsy atao fandidiana (césarienne), dia miakatra be ny vola. Amin’ny ankapobeny dia efa fantatra mialoha moa ny saran’izany, na any amin’ny hopitalim-panjakana na any amin’ireo tsy miankina.
Manodidina ny 500 000 Ar no fototra. Fa amin’ny tena izy dia mety ho tafakatra eo ho eo amin’ny 800 000 Ar hatramin’ny 2 000 000 Ar na mihoatra, miankina amin’ny hopitaly safidiana.

Fehiny

Raha fintinina dia manodidina ny 400 000 Ar hatramin’ny 3 000 000 Ar na mihoatra ny vola mila homanina ho amin’ny fiterahana eto Antananarivo. Araka ny voalaza nefa dia miankina indrindra amin’ny hopitaly hiterahana sy ny toe-pahasalaman’ny reny sy ny zaza mandritra ny fiterahana io sarany io.
Mba hisorohana olana dia tsara raha:
-manangona vola mialoha,
-mampitahy ny saran’ireo hopitaly samihafa, indrindra ho an’ireo maniry hiteraka amin’ny hopitaly tsy miankina, mba hahafahana misafidy tsara,
-manomana vola fanampiny sao sanatria misy ny tsy ampoizina.

Lire la suite

Articles Similaires