Aretina raboka : Mety hahazo ireo taova hafa ao amin’ny vatana fa tsy ny taovam-pisefoana ihany
Tsiahivina isaky ny 24 martsa, ny andro maneran-tany hiadiana amin’ny areti-mifindra raboka na ny tiberkilaozy. Fotoana iray hanamafisana ny fahalalan’ny tsirairay momba ity aretina ity sy ny fitsaboana azy ary ny fiarovana aminy.
Mety hahazo ny taova maromaro
Raha ny mahazatra dia ny taovam-pisefoana na ny avokavoka no tena tratran’ilay mikraoba antsoina hoe « Mycobacterium tuberculosis », fantatra ihany koa amin’ny anarana hoe “bacille de Koch”. Izy io no bakteria miteraka ity aretina ity, ary mety hahatonga ny olona voany, handrehoka misy rà, na sepotra.
Nanazava koa anefa ny Profesora Tiaray Harison Michel, Mpandrindra nasionalin'ny ady amin'ny Tiberkilaozy eto Madagasikara, fa mety hahazo ny taova hafa ihany koa ireo bakteria ireo. Isan’izany ny ao anaty kibo sy ny fo izay mitera-drano, ka mety hahatonga ny fahaseporana. Mety ho voa ihany koa ny atidoha. « Rehefa ao amin’ny atidoha anefa io bakteria io dia ambony be ny taham-pahafetsana ka ny fitiliana haingana hatrany no vahaolana », hoy ity Profesora ity.
Alohan’ny fitiliana anefa dia efa misy ny fambara azo jerena. Miseho amin’ny endriny samihafa izy ity toy ny fanaviana amin’ny hariva, tsemboka be amin’ny alina, malainkomana, miha-mahia, rera-dava, mikohaka maharitra ary mety hisy rà ny rehoka. Mety ho sempotra ihany koa rehefa efa mafimafy ilay aretina. Mety hiseho amin’ny alalan’ny atodi-tarina (ganglion) ao amin’ny tenda, helika ary elakela-pe sy ny toerana maro ihany koa izy io.
Miisa 280 ireo toeram-pitiliana, maimaimpoana
Nanamafy ity mpitsabo ity fa aretina azo tsaboina tsara ny raboka, ary ny fitiliana mialoha hatrany no hahafahana mandray fanapahan-kevitra. « Tsy tokony miandry rehefa misy fambara fa manao fitiliana avy hatrany. Ireo marary mahazo fanafody haingana dia mety ho sitrana tanteraka ary tsy mamindra intsony », hoy hatrany ny fanazavana. Miisa 280 ireo toerana hahafana manao ny fitiliana ity aretina ity, manerana ny Nosy. Tsara ny manamarika fa maimaimpoana tanteraka izany, ary ny fanafody sy ny fitsaboana rehetra, ihany koa, rehefa voamarina dia maimaimpoana.
Ny andro fankalazana, toy izao moa dia natao ihany koa hanamafisana ny fampahafantarana ny aretina sy ny tokony atao. Nanamafy ireo mpitsabo fa ny fitiliana mialoha ihany no lakilen’ny ady amin’ity aretina ity, mba tsy hiparitahany. Ny OMS, tamin’ny taona 2024 dia nanambara fa 71% amin’ireo tombanana ho tranga ihany no nampahafantarina. Izany no mbola isan’ny mampiparitaka io aretina io ka anjaran’ny tsirairay no manentana ny manodidina azy.




