• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Yas
Image
Vaovao

Paska any Vatomandry : Ny 3 hatramin'ny 6 aprily 2026 ny andiany faha-14

24/03/2026 15:14 © Moov

Hoavy tsy hoela ny paska, ka miaraka amin'izany ihany koa ny "Dola Beach" any Vatomandry, tahaka ny isan-taona.

Tontosa androany talata 24 marsa 2026 ny valandresaka ho an'ny Mpanao gazety, nentina nampahafantarana ny Dola Beach andiany faha-14. Any Vatomandry hatrany ny toerana hanatanterahana ny hetsika, tahaka ny mahazatra.

Fandaharam-potoana natao ho an'ny rehetra

Fialamboly, fanatanjahantena sy fizarana fifaliana ny tena antom-pisian'ny "Dola Beach". Entina hampiroboroboana ny fizahantany sady hanohanana ireo mpandraharaha ao Vatomandry ihany koa ny hetsika. Tsy adino ny fanomezan-danja ny kolontsaina Malagasy. Tsy ho diso anjara ireo rehetra mikasa hamonjy ny "Dola Beach" satria marobe ireo lalao sy fanentanana omanin'ireo mpikarakara.
Mandritra ny 4 andro, izany hoe ny 3 hatramin'ny 6 aprily 2026, feno tanteraka ny fandaharam-potoana. Anisan'ireo hetsika koltoraly sy ara-panatajahantena ho tanterahina ny Carnaval dancing, ny Beach Soccer, ny Rugby beach, ny Dola Plage, ary ny fifaninanana Belote. Ho famerenana ny hasina maha-Malagasy manokana, misy fifaninanana Vakodrazana. Homen-danja ihany koa ireo tanora ao Vatomandry sy ny manodidina, amin'ny alalan'ny fifaninanana "Miss & Mister".
Hisy ihany koa ny seho an-tsehatra goavana hiarahana amin'ny tarika Dadi Love, Lico Kininike sy Jhonnito… Asaina araka izany ireo fianakaviana, mpinamana na mpiray fikambanana mikasa hitsangatsangana amin'ny fetin'ny Paska mba hisafidy an'i Vatomandry, toerana mandray ny "Dola Beach".

Lire la suite

Articles Similaires