• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Tsifanjariantsakafo any Vakinankaratra : Efa nihena any amin’ny 50% saingy miadana ny fivoarana

17/03/2026 16:37 © Moov.Mg

Voalohany amin’ireo Faritra manana taha ambony amin’ny tsifanjariantsakafo mitarazoka ny Faritra Vakinankaratra. Na dia efa nahitana fihenany aza izany, dia miadana ny fiovam-pihetsika, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra momba ny fanjariantsakafo any an-toerana.

Tahan’ny tsifanjariantsakafo mitarazoka ambony

Firenena faha-10 maneran-tany ahitana trangana tsifanjariantsakafo mitarazoka be indrindra i Madagasikara ary firenena faha-3 aty Afrika atsimon’i Sahara, araka ny hita ao anatin’ny tahirin-kevitra momba ny fanadihadiana iraisan’ny rafitry ny firenena Mikambana eto Madagasikara, tamin’ny taona 2022. Ao anatin’ny Faritra Vakinankaratra no tena ambony io tahan’ny tsifanjariantsakafo mitarazoka io, manerana ny Nosy. Mitaha any amin'ny 52% izany, raha toa ka tany amin’ny 65% tamin’ny fito taona lasa, araka ny fanazavan’ny mpandrindram-paritry ny fanjariantsakafo any Vakinankaratra, Rahamison James.

« Isan’ny faritra tena ahitana vokatra betsaka i Vakinankaratra, na ny eo amin’ny fambolena na eo ny amin’ny fiompiana, nefa raha ny tahan’ny tsifanjariantsakafo dia manana taha ambony ho an’ny tsifanjariantsakafo mitarazoka ihany koa izy, izany hoe : voalohany avy any amin’ny farany », hoy izy.

Sakafo miovaova sy maro loko

Manatanteraka fivoriana fanao isan-telovolana ankehitriny ireo mpiara-miombona antoka amin’ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo any amin’ity Faritra ity, na ilay antsoina hoe : GRSE (Groupe Regional de Suivi-Evaluation # Secteur Nutrition). Tanjon’izany fivoriana izany ny hifampizarana ny fivoaran'ny tahan'ny tsifanjariantsakafo any an-toerana sy hifampitam-baovao ary hifanakalozan'ireo mpisehatra rehetra, mba hamaritana sy hanitsiana ny paikady ho entina miady amin’ny tsifanjariantsakafo.

Raha ny zava-misy, dia efa nahitam-pidinany io tahan’ny tsifanjariantsakafo any amin’ny Faritra Vakinankaratra io, saingy azo lazaina ho miadana ihany ny fivoarana, hoy hatrany ny fanazavan’ny mpandrindram-paritry ny fanjariantsakafo any an-toerana : « toerana ifanakalozana ara-barotra sy ara-indostria i Vakinankaratra. Saika alain’izy ireo ny vokatra tsara, ka tsy mihinana izany ireo mpiompy sy mpamboly. Miantraika any amin’ny tokantrano izany tranga izany ». Eo an-danin’izay anefa, araka ny fanazavana hatrany, dia manao fanentanana sy mampianatra ny mponina eny ifotony, momba ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana, miovaova sy maro loko ny ôfisim-paritry ny fanjariantsakafo (ONN) sy ireo mpiara-miombona antoka, saingy maka fotoana ela ny fanovam-pihetsika.

Lire la suite

Articles Similaires