Taombaovao Malagasy 2026 : Fankalazana makotrokotroka amin'ny toerana maro
Ny alakamisy 19 marsa ho avy izao no voatondro ho Taombaovao Malagasy 2026. Samy manomana fankalazana makotroka na ny isam-bohitra na ny isam-pikambanana.
Taombaovao Fidiovana
Ny fidiovana no tena votoanton'ny Taombaovao Malagasy, amin'ny ankapobeny. Izany indrindra no anton'ny fizarana "fidiovana" sy "afo tsy maty". Amin'ny Malagasy mantsy, ny afo sy ny rano dia samy manadio avokoa.
Ny alarobia 18 marsa no "réveillon", izay iandrasana ny taona vaovao. Amin'ny ankapobeny, io andro io no fanatanterahana ny fidiovana na fandroana, ny fandrehetana ny afo tsy maty ary ny totorebika. Arakaraka ny fomban'ny mpankalaza moa ny fandaharam-potoana amin'izany. Ny andron'ny taona vaovao kosa dia fiaraha-mifaly, izay tsy maintsy misy famonoana omby sy fihinanana vary amin-tantely tondrahin-dronono.
Toy izao ny ampahana fankalazana ho an'Antananarivo sy ny manodidina :
-Kianjan’ny Kanto Mahamasina : 1819 marsa
-Oniversiten’Antananarivo : 18 marsa
-Rovan’Ambohidrabiby : 18 # 19 marsa
-Ambohidratrimo : 18 # 22 marsa
Saika faranana amin'ny hiragasy goavana avokoa moa ny lanonana. Misy ihany koa ireo mpikarakara manolotra fitantarana mikasika ny fomba malagasy sy hetsika ara-java-kanto samihafa.
Taombaovao Alahamadibe
Mbola tsy mifanara-tsaina hatreto ny mpanalaza ny Taombaovao Malagasy, noho ny foto-kevitra sy ny fomba fanao samy manana ny azy. Misy vohitra vitsivitsy mpankalaza "Taombaovao Alahamadibe", ka tsy mitovy amin'ny daty mahazatra izany. Ny eny Ambohidrabiby sy Ambohimanga ohatra dia samy milaza fa manaraka ny fanisan'andron-dRabiby, nefa samy manana ny fotoana sy ny hevi-dehibe hitondrany ny fankalazana ny Taombaovao.
-Anosimanjaka : 19 # 20 marsa
-Ankazomalaza Ambohimanga : 29 # 30 # 31 marsa
-Antongona Imerintsiatosika : 29 # 30 marsa
Tsara ny manamarika fa na dia misy hevitra tsy iraisana aza, ny famerenan-kasina ny tsirairay sy ny firenena manontolo no tanjona iombonana. Samy mampiasa ny loko fotsy sy mena avokoa ireo mpankalaza, izay lokon'ny sainam-pirenena Malagasy tamin'ny vanim-potoana faha-Mpanjaka. Koa satria saika toeran'ny Mpanjaka na toerana manankasina avokoa no hanatanterahana ny fankalazana, misy ireo fadifady mila hajaina, toy ny tsy fihinanana kisoa.




