• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Eco Flair
Image
Fahalalana Ankapobeny

Ny antony mahatonga ny fisian’ny kongona na « punaises de lit »

13/03/2026 16:38 © Moov.Mg

Mihamaro tato ho ato ny olona mitaraina fa misy kongona na « punaises de lit » ao an-tokantrano eto amintsika. Bibikely miaina amin’ny fitsentsafana ny ran’olombelona izy ireo. Mety hiteraka hidihidy, tsy fahitan-tory ary fahasahiranana ara-tsaina ho an’ny olona voatsentsitr’izy ireo. Ilaina ny mahafantatra ny antony mahatonga ny kongona ao an-trano mba hahafahana misoroka sy miady amin’ny fiparitahany.

Ny dia (voyage) sy ny fivezivezena matetika

Iray amin’ireo antony lehibe mahatonga ny kongona hiditra ao an-trano ny dia, na any ivelany izany na eto an-toerana. Mora miafina ao anaty valizy, akanjo na kitapo ireo bibikely ireo. Ny trano fandraisam-bahiny, ny fitateram-bahoaka ary indraindray na ny fiaramanidina aza dia mety ho toerana ahafahan’ny kongona mifindra toerana. Noho izany dia mety hitondra kongona tsy nahy any an-tranony ny olona iray rehefa avy nanao dia.

Ny fividianana fanaka na entana efa nampiasaina

Mety hisy kongona na atodin-kongona miafina ao anaty fanaka efa nampiasaina, indrindra ny kidoro, ny « canapé », ny fandriana na ny seza. Raha ampidirina ao an-trano ireo fanaka ireo nefa tsy nojerena na nodiovina tsara dia mety ho loharanon’ny fiparitahan’ny kongona. Noho izany dia ilaina ny mitandrina rehefa mividy entana efa nampiasaina.

Ny fiparitahana avy amin’ny trano mifanila

Afaka mifindra avy amin’ny trano iray mankany amin’ny trano hafa ny kongona, indrindra ao amin’ireny trano fonena misy rihan amaro na trano mifampitohy ireny. Mety handalo amin’ny triatra amin’ny rindrina, fantsona, « prise électrique » na elanelana eo ambanin’ny varavarana izy ireo. Midika izany fa na dia madio aza ny trano iray dia mety mbola ho tratran’ny kongona raha efa misy ao amin’ny trano manodidina.

Ny fanoheran’ny kongona ny fanafody famono bibikely

Rehefa mandeha ny fotoana dia misy amin’ireo kongona sasany no lasa mahatohitra ny fanafody famonoana bibikely ampiasaina amin’ny famongorana azy ireo. Izany no mahatonga ny fanalana azy ho sarotra kokoa ary manampy amin’ny fitomboan’ny isan’izy ireo ao an-trano sy amin’ny toerana iombonana.

Ny tsy fahitana mialoha ny fisiany

Bibikely tena miafina tsara ny kongona. Mety hiafina ao anaty kidoro, ao amin’ny triatra amin’ny fanaka, amin’ny sisin-drihana, na ao ambadiky ny « rideaux » izy ireo. Satria amin’ny alina izy no tena mivoaka dia mety tsy ho tsikaritra ny fisiany. Raha vao tara loatra anefa ny fahitana azy ireo dia efa lasa miparitaka be ka sarotra kokoa ny manala azy.

Lire la suite

Articles Similaires