• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Antenimierampirenena
Image
Vaovao

Fampianarana ambony : Nanolotra vahaolana ho an’ny mpianatra sy ny mpampianatra ny Filohan’ny fanavaozana

13/03/2026 15:31 © Moov

Nanatrika ny lanonana fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pianarana 2025 – 2026, androany, ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara. Tao amin’ny Oniversiten’Itasy no nanatanterahana ny lanonana, ary fotoana ihany koa namoahan’ireo mpianatra sy mpampianatra, ireo maharary azy ireo.

Vahaolana fohy ezaka sy lavitr’ezaka ho an’ny mpianatra

Saika nahitana ireo solontena avy amin’ny Oniversite sy IST rehetra manerana ny Nosy ny lanonana. Nisy solontena araka izany na ireo mpampianatra na ireo mpianatra. Nandritra ny fihainoana ireto farany no nilazan’izy ireo ny hetahetany, izay efa fangatahana nandritra ny taona maro, dia ny fampiakarana ny vatsim-pianarana. Tamim-pahitsiana no namalian’ny Kolonely Randrianirina Michael, azy ireo, fa miandry ny fahavitan’ny « recouvrement » an’ireo volam-panjakana vao afaka manapa-kevitra. « Tsy hanome fampanantenana poakaty aho, fa ny fahitana ny vola eo an-tanana azo ampiasaina no hahafahana mandray fanapahan-kevitra », hoy ny Kolonely. Etsy ankilany, ho an’ny Oniversiten’Itasy manokana dia nangataka ny hanatsarana ny famatsian-drano, ireo mpianatra. Nilaza ampahibemaso ny Filoha fa hisy ny fametrahana lavadrano, hahafahana mamaly izany. Nomena fiara lehibe miisa 2, ihany koa izy ireo, hanampiana ieo 5, fitaterana mpianatra.
Ankoatra ireo fanolorana vahaolana ireo anefa dia nanafatra ny mpianatra, ny tenany, fa ilaina ny fifantohana feno amin'ny fianarana izay mitarika any amin'ny fahatafitàna, ary tsy tokony ho voasarika ihany koa amin'ny lalan-diso sy ny hevi-diso maro samihafa mety hampanenina any aoriana.

Olan’ny mpampianatra

Ny lanonana hihaonana toy, izao indrindra no hanambaran’ny tsirairay ny olany, amin’ireo izay heverina fa afaka hamaha izany. Nitondra ny tenin’ireo mpampianatra, ny Filohan’ny Oniversiten’i Mahajanga, nandritra ny fandraisam-pitenenany. Nandritra izany no nanambarany fa 60% amin’ireo mpampianatra no mbola an-tselika, izay tokony hojerana ary mangataka ihany koa izy ireo ny hampitomboana ny isan’ireo mpandraharaha. Etsy andaniny, ny fangatahany hampitomboana ny fotodrafitrasa.
Tamin’ity androany ity moa no efa notokanana ny « maison des professeurs » tao amin’ny Oniversiten’Itasy. Ahitana trano miisa 31, izy io ary ireo mpampianatra ihany no namatsy vola hanamboarana izany.

Lire la suite

Articles Similaires