Fotodrafitrasa : Harenina ny lalana Ambatofotsy – Andramasina, mampifandray Kaominina 14
Kaominina miisa 14 no hahazo tombony, amin’ny fanarenana ny lalana mampitohy an’Ambatofotsy amin’i Andramasina. Nidina ifotony teny an- toerana, nijery ny zava-misy sy ny fizotry ny asa ny avy amin'ny Minisiteran' Asa Vaventy, notarihin'ny Talen'ny Kabinetra Ramanankavana Christian.
Lalana famoaham-bokatra
Fotodrafitrasa iray izay natao hampandroso ny faritra lalovany, ny lalana. Ity lalana harenina ity izao dia Kaominina miisa 14 no hampiraisiny sy hampandrosoiny rehefa vita ny asa. Famoaham-bokatra mantsy io lalana io, izay vokatra afaka hampandroso ny faritra samihafa. Lalana tena ifamezivezen’ny fiara mavesatra izy io, indrindra ireo kamiao mitatitra vokatra avy any amin’ireo kaominina mpamokatra, toy ny Alatsinainy Bakaro, Ambohimiadana, hatrany amin’ny faritra manodidina an’i Tsiazompaniry. Nanamarika ny Minisitera fa manodidina ny 7 taonina isan’andro ny ovy miakatra avy any amin’ireo faritra ireo amin’ny alalan’ity lalana ity. Izany rehetra izany, no antony, tsy maintsy hanarenana azy io, mba hanamorana sy hanafainganana ny fampandrosoana.
Ny asa ho atao moa dia tafiditra ao anatin' ny fandaharan'asa MROR "Marché Routier à Obligation de Résultats", tohanan’ny Banky Iraisam-pirenena. Mikendry ny hanatsara ny kalitaon’ny lalana sy ny fikojakojana azy mandritra ny fotoana maharitra, izany.
Fotodrafitrasan’ny lalana sy ny tetezana
Ankoatra ny fanatsarana ny lalana amin’ny ankapobeny dia asa miandry ihany koa ny fanamboarana sy ny fanavaozana ny tetezana. Efa nisy ny asa maika natao, tamin’ity taona ity, tamin'ny alalan'ny famatsiam-bolan'ny Fanjakana Malagasy, izay nanarenana sy nanamboarana ny sisiny sy ny "tablier"-n’ilay tetezana eo amin’ny fidirana an'Andramasina. Teo ihany koa ny fanarenana ny fihotsahana na "brèche" teo akaikin’ny renirano, izay nitarika fahatapahan-dalana teny Andramasina.
Ny asa lehibe indrindra kosa dia ny fanoloana ny tetezana Ambohitrandraina, izay tetezana vy efa antitra. Ho soloina tetezana « beton » tanteraka izy io, mba hahafahana mandray fiara mavesatra sy manamafy ny faharetan’ny foto-drafitrasa. Efa eo am-panatanterahana ny asa fanomanana, ary hisy fepetra hentitra momban'ny lanjan’ny fiara mandalo mandra-pahamainan’ny « beton » sy hahafahan’ny tetezana vaovao ampiasaina tanteraka.
Mizara roa ny dingan’ny asa, izay ny enim-bolana voalohany no hanaovana ny fanarenana ny lalana ary aorian’izay, dia hitohy ny fikojakojana izany mandritra ny telo taona. Raha vao vita ireo asa ireo dia antenaina fa ho afaka hivezivezy tsara ny fiara rehetra, indrindra ny fiara madinika sy ny kamiao mpitatitra entana, hatrany Andramasina.




