Fotodrafitrasan’ny lalana : Harenina ny RN43 izay tsy nisy nikitika tao anatin’ny 10 taona
Nidina ifotony teny amin’ny Lalam-pirenena faha-43 mampitohy an’i Sambaina sy Soavinandriana ny delegasiona avy amin’ny Minisiteran’ny asa vaventy, notarihin’ny Tale Kabinetra Ramanankavana Christiana. Hijerena akaiky ny toetry ny lalana sy ny fizotry ny asa fikojakojana, tanterahina amin’izao fotoana izao, izany fitsidihana izany.
Lalana mampifandray faritra maro
Nandritra ity fidinana ifotony ity no nahafahan’ireo tompon’andraikitra ireo, nijery mivantana ny toetry ny fampiasana ny lalana sy ny fandrosoan’ny asa fanamboarana sy fikojakojana. Manana anjara toerana lehibe amin’ny fifamoivoizana sy ny fitaterana vokatra mantsy io RN43 io, satria mampifandray faritra maro eto afovoan’i Madagasikara, toy ny Vakinankaratra, Itasy ary Bongolava.
Nandritra ny taona maro, ity lalana ity no isan’ireo fotodrafitrasa manan-danja amin’ny fivezivezen’ny olona sy ny fitaterana vokatra, indrindra fa ireo vokatra avy amin’ny fambolena. Na izany aza anefa, nandritra ny folo taona mahery dia tsy nahitana asa fikojakojana na fanamboarana io lalam-pirenena io, na dia lalana stratejika mampitohy distrika maro aza izy.
Vokatr’izany, dia niharatsy tsikelikely ny toetry ny lalana ka niteraka fahasahiranana ho an’ny mponina sy ny mpampiasa azy. Nisedra olana teo amin’ny fivezivezena sy ny fitaterana entana ireo mpitatitra sy ireo mpandraharaha ara-toekarena any amin’ireo faritra lalovany.
Asa fanarenana tohanan’ny Banky Iraisam-pirenena
Ho setrin’izany olana izany dia tafiditra ao anatin’ny tetikasa fanatsarana sy fikojakojana ny lalana ny RN43, izay tohanan’ny Banque mondiale. Ao anatin’ny tetikasa MROR na “Marché Routier à Obligation de Résultats” no anatanterahana izany, izay mikendry ny hanatsara maharitra ny kalitaon’ny lalana.
Araka ny fanazavan’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny ministera, efa hita maso amin’izao fotoana izao ny fanovana sy ny fanavaozana amin’ny ampahany amin’ny lalana. Rehefa vita tanteraka ny asa dia antenaina fa hanamora ny fifanakalozana ara-toekarena, hanampy amin’ny fitaterana vokatra ary hanohana ny fampandrosoana ara-pizahantany any amin’ireo faritra lalovany.
Etsy ankilany anefa dia entanina ihany koa ny mpampiasa lalana sy ny mponina mba ho tompon’andraikitra amin’ny fiarovana sy fikojakojana ireo fotodrafitrasa, mba haharitra sy ho lovain’ny taranaka ho avy.




