Vadin’ny filohan’ny Fanavaozana : Manentana ny vehivavy handray andraikitra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana
Nitohy tamin’ny fambolen-kazo, notanterahina tany Talata Volonondry, ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy eto Madagasikara. Nitarika ny hetsika, rtoa Randrianirina Elisa, vadin’ny filohan’ny Fanavaozana, izay nandrisika ny vehivavy hijoro ho hery ho an’ny firenena, eo amin’ny sehatra rehetra.
Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy
Zanakazo miisa 3 000 fototra no novolena teny amin'ny Fokontany Ambohimahavelona, Kaominina Talata Volonondry, androany 6 martsa 2025, ao anatin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy eto Madagasikara, izay efa nosokafan’ny vadin’ny filohan’ny Fanavaozana tamin’ny fomba ôfisialy, omaly. Mbola Rtoa Randrianirina Elisa hatrany no nitarika ny hetsika fambolen-kazo notanterahina androany. Nanotrona azy tamin’izany ny vadin’ireo Mpanolo-tsaina Avo sy ireo tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny.
« Ny fiarovana ny ala sy ny fambolen-kazo dia andraikitra sy adidy lehibe ho an’ny vehivavy. Izany adidy izany anefa dia tsy tapitra amin’ny fambolena fotsiny ary tsy natao ho an’ny androany fotsiny, fa mila iainana ary mila ampitaina amin’ny manodidina ny fiarovana ny tontolo iainana », hoy ny nambaran-drtoa Randrianirina Elisa, nandritra ny fandraisam-pitenenany.
Vehivavy, hery ho amin’ny fanavaozana
Lohahevitra nosafidiana, ho entina manamarika ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy eto Madagasikara amin’ity taona 2026 ity, ny hoe : « Ny vehivavy Malagasy, hery iray amin’ny fanavaozana ny firenena ». Noho izany indrindra dia tsy nanentana ny vehivavy handray andraikitra eo amin’ny fiarovana ny tontolo iainana fotsiny ny vadin’ny filohan’ny Fanavaozana. Nanainga ny vehivavy tsy an-kanavaka izy mba ho tomponandraikitra feno eo amin’izay lafiny rehetra hahafahana mampandroso ny firenena, ka hijoro ho hery, amin’ny sehatra rehetra. « Hery isika amin’ny fanabeazana, amin’ny toekarena ary amin’ny fiarovana ny tontolo iainana », hoy izy, tao anatin’ny lahateniny, izay nofaranany tamin’ny hoe : « Enga anie ny hazo ambolena anio mba hitombo sy haharitra, tahaka ny fanantenantsika ho an’i Madagasikara ».
Antananarivo no mandray ny fankalazana nasiônaly ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy eto Madagasikara amin’ity taona ity, izay efa natomboka ny 4 martsa ka hitohy hatramin’ny 8 martsa 2026. Ao amin’ny kianja Barea Mahamasina no anatanterahana ireo hetsika fankalazana rehetra.




