Tohodrano ao Tongoloina : Vita ny fanarenana, tanimbary mirefy 1 610 ha no ho voaaro
Vita tanteraka ny asa fanamboarana ny fefiloha ao Tongoloina, Distrikan'Antananarivo Atsimondrano, araka ny fampitam-baovaon’ny ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana. Raha tsiahivina dia nahitana fahavakisana izy ity, taorian'ny fandalovan'ilay rivo-doza Fytia, tamin'ny volana janoary lasa teo.
Fahasimbana vokatry ny rivo-doza Fytia
Tafiditra ao anatin’ny tohodranon’i Sisaony, ao anatin’ny Kaominina ambanivohitr'Ampahitrosy, ity fefiloha ao amin’ny Fokontanin’i Tongoloina ity. Ny fikaohan’ny rano, vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza Fytia tamin’ny volana janoary lasa teo, no nitarika ny fahasimbana teo amin’ity fotodrafitrasa ity. Araka ny nambaran’ny eo anivon’ny ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana, dia asa vonjy rano vaky no notanterahina, ho fanarenana ity fefiloha miaro lemaka ao Tongoloina ity. Vita tanteraka ny asa, araka ny fampitam-baovao tamin’ny datin’ny omaly 5 martsa 2025.
Miantoka ny fiveloman’ireo mpamboly
Ny fiaraha-mientana tamin’ny alalan’ny asa tana-maro, izay notarihin’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana, niaraka tamin’ny Fandaharanasa Tahiry miasa ho an'ny Fampandrosoana (FID), ny Birao nasiônaly misahana ny fitantanana ny Tandindon-doza ny Loza (BNGRC), ny Antokon-draharaha miandraikitra ny fisorohana ny tondra-drano eny amin'ny lemak'Antananarivo (APIPA) ary ireo Fokontany manodidina, no nahafahana nanatanteraka ny asa.
Miantoka ny fiveloman’ny mponina manodidina ny 20 000 isa, izay miankina amin’ny fambolena, ity fefiloha miaro lemaka ao Tongoloina ity. Rehefa vita izao fanarenana azy izao dia velaran-tanimbary mirefy 1 610 hektara no ho voaaro indray ary afaka miverina mamokatra am-pilaminana ireo tantsaha ao amin’ny kaominina Ampahitrosy, Soalandy ary Soavina sy ny manodidina.




