• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Jirama
Image
Vaovao

Toamasina : Ny 355 isa amin’ireo andrin-jiro 2 101 isa nahitana fahasimbana no voaarina

05/03/2026 12:29 © Moov.Mg

Mbola ao anatin’ny fanarenana tanteraka ny tanànan’i Toamasina, iray volana latsaka kely taorian’ny fandalovan’ilay rivo-doza Gezani. Isan’ny nitondra takaitra tamin’izany ireo fotodrafitrasa momba ny jiro sy ny rano an’ny orinasa Jirama. Efa miverina tsikelikely anefa ny famatsiana ireo filàna fototry ny vahoaka ireo, raha ny tatitra farany navoakan’ny BNGRC.

Miverina tsikelikely ny herinaratra

Nahatratra 2 101 isa ny andrin-jiro nahitana fahasimbana tany Toamasina, Faritra Atsinanana, vokatry ny fandalovan’ilay rivo-doza Gezani. Ny 355 isa tamin’ireo no efa voaarina, araka ny fampitam-baovaon’ny Birao Nasionaly misahana ny fitantanana ny Tandindon-doza sy ny Loza (BNGRC), omaly 4 martsa 2025. Mirefy 41,5 km kosa ny tariby lehibe (câble) mpitarika herinaratra no efa tafaverina amin’ny laoniny, tamin’ireo mirefy 154 km simba. Momba ireo vata mpanova herinaratra (transformateurs) indray, dia ny 11 amin'ireo 69 nahitana fahasimbana no efa mandeha amin'izao fotoana izao. Araka izany, ny ao Tanamakoa, Hôpitaly kely, INSTAT, Barikadimy, Salazamay, ary ny Rue de commerce Ampasimazava no efa misitraka herinaratra ao an-drenivohitr’i Toamasina ankehitriny.

Efa mandeha ny rano

Raha ity tatitry ny BNGRC ity hatrany dia efa saika misitraka rano avokoa ny 100%-n’ny mponina any Toamasina. Mety misy ihany anefa ny toerana vitsy mbola misedra olana ara-teknika na misy fahavakisana fantsona, ka mahatonga tsy fahatomombanan’ny famatsian-drano, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny JIRAMA. Mpitandro filaminana manodidina ny 100 isa isan'andro moa, araka ny fantatra, izay ahitana Tafika sy Polisy ary Zandary, no manampy ny JIRAMA any Toamasina amin'ny fanarenana ny simba. Eo ihany koa ireo mpiara-miombona antoka tsy miankina, toy ny orinasa Néa, izay mifanome tanana mba hamerenana haingana ny jiro sy ny rano ao an-drenivohitra Betsimisaraka.

Lire la suite

Articles Similaires