• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bngrc
Image
Vaovao

Toamasina : Hirosoana ny fanarenana ny lalana ao an-tampon-tanàna, ny mihazo an’i Toamasina II ary ny RN5

04/03/2026 12:14 © Moov

Isan’ny nahitana fahasimbana ihany koa ireo lalana samihafa ao Toamasina, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani. Nidina tany an-toerana ny Minisitry ny asa vaventy, Razafindrianarivo Henri Jacob, nijery ny asa mila hatao haingana, ka nolazainy tamin’izany fa hirosoana avokoa ny fanarenana ny lalana rehetra.

Lalam-pirenena sy ny lalana rezionaly

Ny hanarina ny fifamezivezena sy ny fifamoivoizana no tena tanjona voalohan’ny Minisitera, mba hahafahan’ny mponin’ny Faritra Atsinanana, miverina amin’ny fiainana andavan’andro. Ao anatin’izany ny famoaham-bokatra sy ny ara-toekarena. Nandritra io fandalovana tany an-toerana io dia nanamarika ny Minisitra fa ho asiam-panarenana avokoa ny lalana rehetra miditra sy mivoaka. Tafiditra ao anatin’izany ny lalam-pirenena faha-dimy (RN5), izay mampitohy an’i Toamasina amin’i Foulpointe sy ny lalana mihazo ny Distrikan’i Toamasina faharoa.
Ny RN5, raha tsiahivina dia ny hazo sy andrin-jiro nianjera no tena nibahana ny lalana, ka nidina an-tsehatra avy hatrany ny orinasa nanadio sy nanokatra ny fifamoivoizana. Hirosoana ihany koa ny asa amin’ny teboka kilometrika faha-10 mba hanonerana ny fahatarana nateraky ny rivodoza. Ho an’i Toamasina II kosa dia ny tetezana ao Sandahatra no tena voa mafy. Kaominina miisa dimy no voakasika amin’izao fotoana izao, ka hapetraka farany izay haingana ny tetezana vy, izay vahaolana vonjimaika, hampiverina ny fifamoivoizana sy hanampy ny mponina.

Lalana ao an-tampon-tanàna

Ankoatra ireo lalana, hivoahana sy hidirana an’i Toamasina anefa dia nisy fiantraikany tamin’ny fotodrafitrasan’ny lalana teo an-tampon-tanàna. Simba ny ampahany amin’ny sisin-dalana ao amin’ny Boulevard Ratsimilaho, noho ny rano. Raha ny fanazavan’ny Minisitra dia efa tapitra ny antoka tamin’io tetikasa io, ka ny fanjakana Malagasy no handray an-tanana ny fanarenana azy.
Etsy ankilany dia nisy fahavoazana ihany koa ny teny amin’ny Voie Rapide Toamasina mampitohy ny RN2 sy ny Seranan-tsambo. Ny tetezan’i Pangalana no nahitana fahasimbana tamin’izany ary efa andalam-panamboarana. Nojerena ihany koa ny fahasimbana teny amin’ny tobin’ny orinasa Synohidro sy ny fitaovana maro tao anatiny. Mitaky fanampim-bola sy fanitarana fe-potoana araka izany, izy ireo, mba hahafahany manohy ny asa. Maty antoka ny orinasa,
Ho an’ny RN2 indray dia mitohy hatrany ny fanarenana ny RN2, ary efa nampitomboana ny mpiasa sy ny fitaovana, hanonerana ny fahatarana.

Lire la suite

Articles Similaires