Fanatanjahantena aorian’ny fiterahana : ireo hevi-diso manodidina izany
Maro amin’ny vehivavy avy miteraka no maniry hiverina hanao fanatanjahantena. Maro ny antony manosika azy ireo amin’izany : hahazo hery indray, hifankazatra amin’ny vatany vaovao, hanalefaka ny fanaintainana… Manoloana ireo torohevitra mifangaro, ny havizanana lalina, ny tsindry ara-tsosialy dia toa tsy mora ny mahafantatra hoe raoviana sy ahoana no hanomboana indray. ‘Ndeha ary ho fantarina ireo hevi-diso mikasika ny fanatanjahantena aorian’ny fiterahana.
Hevi-diso voalohany : « Tsy tokony hihetsika raha tsy vita ny fanarenana (rééducation) »
Maro ny mihevitra fa tsy maintsy miandry ny fanarenana (rééducation du périnée) vao afaka manao fanatanjahantena aorian’ny fiterahana. Raha ny marina nefa dia miankina amin’ny fanatanjahantena kasaina atao izany.
Aorian’ny andro vitsy voalohany dia efa afaka manao fihetsika malefaka, ary tsara aza raha :
-Mandeha an-tongotra tsikelikely,
-Manao fanazaran-tna malefaka,
-Manao fanazaran-tena amin’ny fifohana rivotra avy amin’ny kibo,
-Manao « étirements » moramora hanalefahana ny hozatra.
Ireo fihetsika tsotra ireo dia manampy amin’ny fivezivezen’ny rà, mampihena fanaintainana ary manatsara ny toe-po.
Tsara kosa raha miandry ny fanarenana ny « périnée » sy ny fankatoavan’ny mpitsabo vao manao fanatanjahantena misy fidinana na fitsambikinana, toy ny hazakazaka sy ny fanatanjahantena iombonana.
Hevi-diso faharoa : « Ny fanatanjahantena no hahafahana mamerina haingana ny vatana taloha »
Mbola misy hatrany ny tsindry (pression) hoe tokony hiverina haingana amin’ny “vatana taloha” ny vehivavy avy niteraka, indrindra amin’ny tambajotra sosialy izay efa mahazo vahana lehibe eto amintsika. Kanefa samy manana ny fiovany ny vatan’ny vehivavy tsirairay aorian’ny fitondrana vohoka.
Ny fitondrana vohoka dia manova:
-ny hozatry ny kibo (indraindray misy fisarahana antsoina hoe « diastasis »)
-ny « périnée »
-ny taolana sy hozatra mifamatotra (lasa malefaka kokoa vokatry ny hormonina)
-ny fihetsika sy fijoroan’ny vatana
Tsy tokony ho ny endrika ivelany no hitarika ny fiverenana manao fanatanjahantena, fa ny fahasalamana sy ny « bien-être ». Mety haharitra volana maro ny fanarenana, indraindray mihoatra noho izany aza.
Hevi-diso fahatelo : « Raha mahatsiaro ho matanjaka aho dia afaka miverina toy ny taloha »
Na dia miverina aza ny hery dia indraindray mila fotoana ny vatana mba ho sitrana tanteraka, indrindra raha nisy fandidiana (césarienne), fanatahana (épisiotomie) na fahatatahana.
Ny fiverenana tampoka sy mafy loatra dia mety hiteraka:
-« fuites urinaires »,
-fanaintainana eo amin’ny valahana,
-fidinan’ny taova ao an-kibo,
-fanaintainan’ny lamosina.
Tsara kokoa ny manomboka tsikelikely, amafisina aloha ny hozatra lalina (toy ny hozatry ny kibo anatiny sy ny « périnée ») vao miroso amin’ny fanatanjahantena mahery kokoa.
Hevi-diso faha efatra : « Tsy azo atao ny manao fanatanjahantena rehefa mampinono »
Ny fanatanjahantena antonony dia tsy manimba ny fampinonoana. Tsy manova ny kalitao na ny habetsahan’ny ronono izy io. Mety aleon’ny vehivavy sasany manao fanazaran-tena aorian’ny fampinonoana fotsiny, mba hahazoana aina kokoa. Zava-dehibe kosa ny misotro rano ampy sy mihaino ny hafatry ny vatana.
Lakilen’ny fiverenana manao fanatanjahantena am-pitoniana
Raha maniry ny hiverina hanao fanatanjahantena am-pitoniana aorian’ny fiterahana dia tsara raha :
-Mitady fanohanana matihanina. Ny mpampivelona, ny mpitsabo manokana amin’ny fanarenana ny « périnée », na ny mpanazatra mahafehy ny sehatra « post-partum » dia afaka mitarika amim-pitandremana.
-Manome lanja ny « périnée ». Zava-dehibe ny fanarenana azy io na dia tsy misy soritr’aretina aza.
-Manao fanatanjahantena tsikelikely. Tsara kokoa ny 20 minitra matetika toy izay fanazaran-tena mafy sy mifanelanelana lavitra.
-Manaiky fa miovaova ny toe-batana. Havizanana, tsy fahampian-torimaso, adidy maro… sarotra ny vanim-potoana aorian’ny fiterahana. Tsy midika ho fahalemena ny manaraka ny « rythme » vaovaon’ny vatana, toy ny fampihenana ny hamafy sy faharetan’ny fanatanjahantena aorian’ny fiterahana.




